SARY VETAVETA?
Transkrypt
SARY VETAVETA?
1 AOGOSITRA 201 3 34567 TENA MANIMBA VE NY SARY VETAVETA? ( 34567 Vol. 134, No. 15 Semimonthly MALAGASY NY TILIKAMBO FIAMBENANA dia natao hanomezana voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanjakan’izao rehetra izao. Mampahery ny vaovao tsara voalaza ato, dia ny hoe kely sisa ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra dia hanafoana ny faharatsiana rehetra ary hanova ny tany ho paradisa. Mampirisika ny olona ity gazety ity mba hino an’i Jesosy Kristy, izay efa Mpanjakan’io Fanjakana io izao. Nahafoy ny ainy mantsy izy mba hahazoantsika fiainana mandrakizay. Tamin’ny 1879 ity gazety ity no nanomboka navoaka, ary tsy momba ny atsy na ny aroa amin’ny politika. Avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra resahina ato. Raha mila fanazavana fanampiny ianao na te hianatra Baiboly maimaim-poana, dia Isan’ny indray mivoaka: 44 978 000 AMIN’NY FITENY 209 AUGUST 1, 2013 MATOAN-DAHATSORATRA TENA MANIMBA VE NY Sary Vetaveta? PEJY 3 HO HITANAO ATO KOA Manova Olona ny Baiboly 8 Manontany ny Mpamaky: Nahoana no Tsy Lazain’ny Baiboly ny Anarana Sasany? 10 ` Manatona An’Andriamanitra: ‘Hita Mazava ny Toetrany Tsy Hita Maso’ 11 Tahafo ny Finoan’izy Ireo: Voaro Izy “sy Ireo Fito Hafa” 12 Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly 16 tsidiho ny www.jw.org na manorata any amin’ny iray amin’ireto adiresy ireto: Ho an’i ETAZONIA: Vavolombelon’i Jehovah 25 Columbia Heights Brooklyn, NY 11201-2483 Ho an’i MADAGASIKARA: Vavolombelon’i Jehovah BP 116 105 Ivato (s AO AMIN’NY INTERNET www.jw.org /mg Misy ny adiresin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ao amin’ ny www.jw.org /mg /adiresy-sy-telefaonina. FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA MOMBA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH: Tsy Ifaneraseranareo Intsony ve ny Vavolombelona Namanareo Taloha? ˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙ Tsy natao hamidy ity gazety ity. Ny famoahana azy ity dia anisan’ny asa fampianarana Baiboly maneran-tany tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo. Raha tsy misy fanamarihana manokana, dia avy amin’ilay dikan-teny maoderina hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny andinin-teny ato. The Watchtower (ISSN 0043-1087) is published semimonthly by Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.; L. Weaver, Jr., President; G. F. Simonis, Secretary-Treasurer; 25 Columbia Heights, Brooklyn, NY 11201-2483. FIOVAM-PONENANA: Omeo anay ny adiresinao vaovao sy taloha. 5 2013 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Tsy azo adika na alain-tahaka. Printed in Japan. r (Jereo ao amin’ilay hoe MOMBA ANAY ˛ FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA) 1 AOGOSITRA 2013 34567 AZO ALAINA AO AMIN’NY INTERNET ITY GAZETY ITY TENA MANIMBA VE NY SARY VETAVETA? MATOAN-DAHATSORATRA Tena Manimba ve ny Sary Vetaveta? Miely patrana izao ny sary vetaveta.1 Mety hahitana azy ireny ny dokam-barotra, boky misy lamaody, filma, hirahira, gazetiboky, tele, lalao video, Internet, ary finday sy fitaovana elektronika hafa. Toa tsy mampaninona ny olona ny mijery sary vetaveta. Betsaka noho ny hatramin’izay izao ny sary vetaveta miely sy ny olona mijery azy ireny.—Jereo ny efajoro “Antontan’isa Momba ny Sary Vetaveta.” Miova koa ny fiheveran’ny olona ny sary vetaveta. Hoy ny profesora Gail Dines: “Efa tena mihoa-pampana ny sary vetaveta mivoaka. Ireo noheverin’ny olona taloha hoe tena mamoafady izao no lazaina fa ` ara-dalana.” Ary ahoana ny hevitrao? Tsy mampaninona ve ny mijery sary vetaveta sa tena manimba? Hoy i Jesosy: “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy.” (Matio 7:17) Mamoa voa tsara sa voa ratsy ny sary vetaveta? Andeha isika handinika hevitra vitsivitsy, mba hamaliana izany. 1 Ny “sary vetaveta” dia fampisehoana an-karihary olona manao firaisana. Mety ho sary izany, na soratra, na feo, ary natao hanairana ny fanirian’ny olona hanao firaisana. 1 AOGOSITRA 2013 3 Inona no vokatry ny sary vetaveta eo amin’ny olona? INONA NO LAZAIN’NY MANAM-PAHAIZANA? Tena manandevo ny sary vetaveta. Misy manampahaizana mampitovy azy io amin’ny zava-mahadomelina. Hoy i Rivo,1 izay mpijery sary vetaveta tao amin’ ny Internet: “Tsy nisy nahasakana ahy tsy hijery an’ilay izy mihitsy. Hoatran’ireny nentin-javatra ireny aho. Nangovitra aho rehefa avy nijery an’ilay izy, ary lasa narary andoha. Niezaka niala tamin’ ilay fahazaran-dratsy aho, nefa mbola nandevozi` ny ihany taona maro taty aoriana.” Manafina ny fahazarany ny olona andevozin’ny sary vetaveta. Manafin-toetra sy mamitaka ny hafa izy. Tsy mahagaga raha lasa mitokantokana izy, mahatsiaro ho menatra, miady saina, kivy be, ary tezi-dava. Misy aza te hamono tena. Hoy i Benja, izay nampiditra sary vetaveta tao amin’ny findainy, saika isan’andro: “Tsy nieritreritra afa-tsy ny tenako aho ary lasa namoy fo. Nanamelo-tena aho, nahatsiaro ho tsy nisy dikany sy nanirery ary voafandrika. Menatra loatra aho ka natahotra ny hitady fanampiana.” Misy vokany ratsy ny sary vetaveta, na sendra nahita izany ilay olona na nijery vetivety fotsiny. Niresaka tamin’ny Antenimieran-doholona tany Etazonia ny Pr. Judith Reisman, izay nikaroka momba ny sary vetaveta. Hoy izy: “Miraikitra ao andoha ny sary vetaveta sady manimba saina. Vetivety eo ny atidoha dia mamoaka zavatra simika, izay mahatonga an’ilay sary ho sarotra hadinoina na tsy hiala ao an-tsaina.” Hoy i Landy, 19 taona, izay sendra nahita sary vetaveta tao amin’ny Internet: “Miraikitra be ao an-dohako ilay sary. Miverina tampoka ao an-tsaiko ilay izy. Hoatran’ny tsy ho afaka hanala an’ilay izy ao mihitsy aho.” FEHINY: Manandevo ny sary vetaveta ary manimba ny fiainan’izay mijery azy.—2 Petera 2:19. 1 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity. 4 NY TILIKAMBO FIAMBENANA Inona no vokatry ny sary vetaveta eo amin’ny fianakaviana? INONA NO LAZAIN’NY MANAM-PAHAIZANA? “Mampisaraka ny mpivady sy mampisara-bazana ny fianakaviana ny sary vetaveta.”—Ny Fandriky ny Sary Vetaveta (anglisy), nosoratan’i Wendy sy Larry Maltz. Manimba tokantrano ny sary vetaveta, satria: ˇ Mihena ny fifampitokisana sy ny fifankatiavan’ ny mpivady.—Ohabolana 2:12-17. ˇ Mahatonga an’ilay olona ho tia tena, tsy hiraikipo amin’ny vadiny, ary tsy ho afa-po aminy intsony.—Efesianina 5:28, 29. ˇ Mahatonga an’ilay olona hanonofinofy manao firaisana mamoafady sy haniry mafy hanao izany. —2 Petera 2:14. ˇ Lasa te hanery ny vadiny hanao firaisana mamoafady ilay olona.—Efesianina 5:3, 4. ˇ Mahatonga an’ilay olona haniry hanao firaisana amin’ny olona tsy vadiny sy hanitsakitsa-bady. —Matio 5:28. ANTONTAN’ISA MOMBA NY SARY VETAVETA ISAN-TSEGONDRA: Efa ho 30 000 ny olona mijery sary vetaveta ao amin’ny Internet. ISA-MINITRA: E-mail misy sary vetaveta 1,7 TAPITRISA mahery no alefan’ireo mpampiasa Internet. ISAN’ORA: ROA eo ho eo ny filma misy sary vetaveta tena mamoafady mivoaka, any Etazonia. Milaza ny Baiboly fa tsy tokony ‘hivadika’ amin’ ny vadiny ny mpivady. (Malakia 2:16) Mivadika amin’ny vadiny ny olona iray rehefa manitsakitsaka azy. Manimba tokantrano izany, ka mety hahatonga ny mpivady hifampisintaka sy hisaraka. Misy vokany ratsy eo amin’ny ankizy koa anefa izany. Tena manimba ny ankizy ny sary vetaveta. Hoy i Rivo, ilay voaresaka tany aloha: “Nanao an-kiafina aho, indray mandeha, tamin’izaho folo taona teo ho eo, ka hitako tampoka ny bokin’i Dada, izay nisy sary vetaveta. Nangalatra nijery azy ireny aho nanomboka teo, na dia tsy fantatro aza izay nitiavako azy. Lasa zatra nijery azy ireny aho mandrapahalehibeko.” Nasehon’ny fikarohana fa mahatonga ny ankizy ho tia manao firaisana ny sary vetaveta. Lasa mpanao firaisana amin’ny olona maro samihafa izy, mahery setra rehefa manao izany, ary mikorontana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po. FEHINY: Mahatonga ny olona tsy hifankatia intsony ny sary vetaveta, ary miteraka ratram-po sy alahelo.—Ohabolana 6:27. ISAN’ANDRO: ROA TAPITRISA mahery ny filma vetaveta hofan’ny olona, any Etazonia fotsiny. ISAM-BOLANA: Tovolahy 9 isaky ny 10 ary tovovavy 3 isaky ny 10 no mijery sary vetaveta, any Etazonia. ISAN-TAONA: Mahazo vola IRAY HETSY TAPITRISA dolara ny orinasa mpamokatra sary vetaveta. 1 AOGOSITRA 2013 5 Inona no hevitr’Andriamanitra momba ny sary vetaveta? HOY NY BAIBOLY: “Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.”—Kolosianina 3:5. ` Halan’i Jehovah1 Andriamanitra ary ny sary vetaveta. Tsy hoe mora tafintohina amin’ny resaka firaisana akory izy. Izy aza no namorona ny taovampananahana. Nataony afaka manao firaisana ny mpivady, satria tiany hahita fahafinaretana sy hifankatia kokoa ary hiteraka izy ireo.—Jakoba 1:17. ` Nahoana ary isika no milaza fa tena halan’i Jehovah ny sary vetaveta? Ireto misy antony vitsivitsy: ˇ Fantany hoe manimba ny sary vetaveta.—Efesianina 4:17-19. ˇ Tiany isika ka tiany harovana.—Isaia 48:17, 18. ˇ Te hiaro ny mpivady sy ny fianakaviana i Jehovah.—Matio 19:4-6. ˇ Tiany hadio fitondran-tena sy hanaja ny zon’ny hafa isika.—1 Tesalonianina 4:3-6. ˇ Tiany hampiasa ny taovam-pananahana amin’ny fomba mendri-kaja isika.—Hebreo 13:4. ˇ Fantatr’i Jehovah fa mampiharihary ny hevitra diso sy feno fitiavan-tena momba ny firaisana ny sary vetaveta, ary ahitana taratra ny hevitr’i Satana momba ny firaisana.—Genesisy 6:2; Joda 6, 7. FEHINY: Manimba ny fifandraisan’ny olona amin’ Andriamanitra ny sary vetaveta.—Romanina 1:24. 1 Resahin’ny Baiboly fa Jehovah no anaran’Andriamanitra. 6 NY TILIKAMBO FIAMBENANA 1 2 Na izany aza, dia tena mamindra fo amin’ireo tsy te handevozin’ny sary vetaveta intsony i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Mamindra fo sy tsara fanahy i Jehovah, tsy mora tezitra sady be hatsaram-panahy feno fitiavana. Fa fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Salamo 103:8, 14) Asainy hanatona azy ny olona manetry tena. Amin’izay izy dia “hahazo famindram-po” sy “hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” ary ‘hahazo fanampiana amin’ny fotoana mety.’—Hebreo 4:16; jereo ilay hoe: “Ahoana no Hialana Amin’ilay Fahazaran-dratsy?” Olona maro no nanaiky hampian’Andriamanitra, ka afaka tamin’ny fahazaran-dratsy. Hoy ny Baiboly momba azy ireo: “Efa voasasa madio tsara ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nambara ho marina ianareo tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika sy tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.” (1 Korintianina 6:11) Afaka milaza toy ny apostoly Paoly izy ireo hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:13. Resin’i Landy ny fahazaran-dratsiny. Hoy izy: “I Jehovah ihany no afaka manampy anao tsy handevozin’ny sary vetaveta intsony. Raha mangataka ny fanampiany sy ny tari-dalany ianao, dia hadio eo anatrehany. Tsy hanary anao izy.” 3 4 Ahoana no Hialana Amin’ ilay Fahazaran-dratsy? Ianao ve mahalala olona zatra mijery sary vetaveta, nefa te hiala amin’io fahazaran-dratsy io? Ampirisiho izy hanaraka an’ireto soso-kevitra ireto, izay efa nanampy olon-kafa koa: 1. Mivavaha amin’Andriamanitra. “Tena ilaina ny mangataka fanampiana amin’i Jehovah, raha tsy te hijery sary vetaveta intsony ianao.”—Franz. Afaka manome fanahy masina an’ilay olona i Jehovah, amin’izay izy ‘sady maniry no manatanteraka.’ (Filipianina 2:13) Hanampy azy handresy ny “filan-dratsiny sy ny faniriany” ny fanahy masina, raha manaiky hotarihin’izy io izy.—Galatianina 5: 16, 24. 2. Mitadiava fanampiana amin’olona. “Zavatra afenimpenina sy mahamenatra ny mijery sary vetaveta, ka mihevitra ianao fa tsy ho vitanao mihitsy ny hitady fanampiana. Mieritreritra ianao hoe ho vitanao samirery ny hiala amin’ilay izy. Tsy hahavita izany anefa ianao raha tsy misy ` manampy. Nampandeferiko ary ny hambom-poko, ka nitsotra tamin’ny vadiko aho. Nitady fanampiana tamin’ny namana natokisako koa aho. Izany no mafy indrindra tamiko, nefa tena nanampy ahy. —Yoshi. Tsy mora ny mamboraka an’ilay izy amin’ny hafa, ka mila tapa-kevitra sy misikina herim-po ianao. Tokony hanao izany anefa ianao raha te handresy an’ilay fahazaran-dratsy sy hifandray tsara indray amin’ireo olona akaiky anao. Hoy i Landy, ilay voaresaka tany aloha: “Tena maivamaivana aho taorian’izay. Mafy aloha ilay izy, kanefa lasa nilamin-tsaina aho.”—Jakoba 5:16. 3. Ialao ireo zavatra mahatonga an’ilay fanirian-dratsy. Rehefa mieritreritra inona izy no te hijery sary vetaveta? Inona ny toe-javatra na fihetseham-po mahatonga azy hanao izany? Mijery Internet ve? Sa mijery filma amin’ny alina be? Sa mamaky boky? Sa mankeny amoron-dranomasina? Sa rehefa noana, tezitra, irery, na vizana? Hoy i Sven: “Fantaro ireo zavatra mahatonga an’ilay fanirian-dratsy, ary halaviro hoatran’ny areti-mifindra.” Hoy i ` Jesosy: “Raha ny masonao havanana ary no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao.” —Matio 5:29. Hoy i Franz: “Raha mijery vehivavy aho ka te hanao firaisana aminy, dia mivavaka amin’i Jehovah haingana aho ary tonga dia aviliko ny masoko.” Hoy i Joba, lehilahy nanam-pinoana fahiny: “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho, koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?”—Joba 31:1. 4. Miezaha mifandray tsara amin’Andriamanitra. Hoy ihany i Franz: “Zavatra tsara amenoana ny saina, ary manaova zavatra ara-panahy be dia be.” Hoy ny Baiboly: “Na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina. ... Ary ho aminareo ilay Andriamanitry ny fiadanana!”—Filipianina 4:8, 9. ˇ 1 AOGOSITRA 2013 7 MANOVA OLONA NY BAIBOLY “Nieritreritra be aho hoe ahoana no hiafaran’ny fiainako” ` NY FIAINAKO TALOHA: Nihalehibe tany Warialda, tanana NOTANTARAIN’I ALLAN HANCOCK TERAKA: 1941 FIRENENA: AOSTRALIA FIAINANY TALOHA: MPIFOKA SIGARA SADY MPIBOBOKA TOAKA 8 NY TILIKAMBO FIAMBENANA kely any Nouvelle-Galles Atsimo, aho. Mpiompy omby aman’ondry ny olona any sady mpamboly. Madio io ` tanana io, ary tsy dia misy heloka bevava. Folo mianadahy izahay, ary izaho no lahimatoa. Vao 13 taona aho dia efa niasa, mba hanampiana ny vola niditra tao an-trano. Tsy dia nahita fianarana anefa aho, ka niasa tany amin’ny toeram-piompiana. Mpamolaka soavaly no asako tamin’izaho 15 taona. Nisy lafy tsarany sy lafy ratsiny ny niasa tany amin’ny toeram-piompiana. Tena tiako ny asako sy ny tontolo iainana tany. Nitanina afo aho rehefa alina, ary nijery ny volana sy ny kintana. Ny tsio-drivotra koa nitondra ny hanitry ny kirihitrala teny amin’ny manodidina. Nieritreritra aho tamin’izay hoe tsy maintsy ho nisy namorona ireny zavatra mahatalanjona ireny. Ny tsininy anefa dia izao: Fandre matetika ny olona niteny ratsy, ary tsy sarotra ny nahita sigara, ka lasa zatra nifoka sigara sy niteny ratsy aho. Nifindra tany Sydney aho tamin’izaho 18 taona. Mba te ho lasa miaramila aho fa tsy voaray satria tsy dia nahita fianarana. Nahita asa aho ary nijanona tany herintaona. Tamin’izay aho no nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy nanasa hivory aho ary nandeha tokoa. Tsapako avy hatrany hoe marina ny fampianaran’ izy ireo. Tapa-kevitra ny hiverina tany ambanivohitra anefa ` aho, tsy ela taorian’izay, ka tonga teto Goondiwindi, aty Queensland. Nahita asa aho ary nanambady. Nanomboka nisotro toaka koa anefa aho. Rehefa teraka ireo zanakay roa lahy, dia nanomboka nieritreritra be aho hoe ahoana no hiafaran’ny fiainako. Tadidiko ireo zavatra noresahina tamin’ny fivorian’ny Vavolombelona tany Sydney, ka nanapa-kevitra ny hanao zavatra aho. Nahita Tilikambo Fiambenana efa tranainy aho, ary nisy adiresin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Aostralia tao. Nanoratra tany aho, ka nisy Vavolombelona iray tsara fanahy sy be fitiavana tonga nitsidika ahy. Tsy ela izahay dia niara-nianatra Baiboly. NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Tsapako fa tena nila niova aho, rehefa nandeha ny fianarana. Nisy vokany be tamiko, ohatra, ny 2 Korintianina 7:1, izay mampirisika antsika “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo.” Nanapa-kevitra aho fa tsy hifoka sigara na hiboboka toaka intsony. Efa fanaoko hatramin’ny ela ireo, ka tsy mora ny niala taminy. Vonona ny hiova anefa aho mba hampifaliana an’Andriamanitra. Tena nanampy ahy ny toro lalana ao amin’ ny Romanina 12:2 hoe: “Aza manaiky intsony ho` volavolain’ity tontolo ity, fa miova ka havaozy ny sainareo.” Tsapako hoe ny fomba fisainako mihitsy no mila miova, raha te hanova ny fahazarako aho. Tokony hanana ny fomba fijerin’Andriamanitra aho, ka hiaiky hoe ratsy ireny zavatra fanaoko ireny. Nanampy ahy izy, ka resiko ihany ireo fahazaran-dratsiko ireo. “Tsapako hoe ny fomba fisainako mihitsy no mila miova, raha te hanova ny fahazarako aho” Tena tsy mora tamiko anefa ny tsy hiteny ratsy intsony. Fantatro ilay torohevitra ao amin’ny Efesianina 4:29 hoe: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo.” Tsy tonga dia nahavita nampihatra an’izany anefa aho. Nanampy ahy ny nisaintsaina ny Isaia 40:26. Izao no lazainy momba ny lanitra feno kintana: “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.” Nieritreritra aho hoe raha manana hery hamoronana an’izao rehetra izao midadasika Andriamanitra, tsy ho vitany koa ve ny hanampy ahy hiova mba hampifaliana azy? Nivavaka mafy aho ` ary niezaka be, ka tsy niteny ratsy intsony taty aoriana. NY SOA NORAISIKO: Tsy dia afaka niresaka tamin’ olona aho, tamin’izaho namolaka soavaly. Tsy dia nisy olona mantsy teny akaikin’ireo toeram-piompiana niasako. Nianatra naneho hevitra anefa aho, noho ireo fampiofanana tany amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanampy ahy hiresaka tamin’ny olona momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra koa ireny fampiofanana ireny.—Matio 6:9, 10; 24:14. Efa taona maromaro aho izao no anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Raisiko ho tombontsoa ny manao izay azoko atao mba hanampiana ny mpiray finoana amiko. Ny fitahiana lehibe indrindra azoko anefa, dia ny hoe miara-manompo an’i Jehovah izahay mianakavy. Misaotra an’i Jehovah aho noho izy vonona ny hampianatra ahy, izay olona tsy dia nahita fianarana. (Isaia 54:13) Marina mihitsy ny voalazan’ny Ohabolana 10:22 hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena.” Tsy andrinay mianakavy ny hianarana bebe kokoa momba an’i Jehovah sy hanompoana azy mandrakizay. ˇ 1 AOGOSITRA 2013 9 MANONTANY NY MPAMAKY Nahoana no tsy lazain’ny Baiboly ny anarana sasany? Nantsoina fotsiny hoe Ingahy ny lehilahy iray resahina ao amin’ny bokin’i Rota, izay tsy nety nanao ` ny adidiny voalazan’ny Lalan’i Mosesy. (Rota 4: 1-12) Midika ve izany fa ratsy toetra toa azy na tsy misy dikany daholo izay olona na anjely tsy voalaza anarana ao amin’ny Baiboly? Tsia. Misy ohatra hafa ity. Nirahin’i Jesosy ha` nkany “an-tanana ho any amin-dRanona” ny mpianany, mba hanomana ny Paska farany hiarahany amin’izy ireo. (Matio 26:18) Ratsy toetra na tsy misy dikany ve io lehilahy io matoa tsy nolazaina ny anarany? Tsy izany mihitsy. Azo inoana fa mpianatr’i Jesosy izy io. Tsy tena nilaina tao amin’ilay tantara anefa ny anarany, ka tsy nolazaina. Ankoatra izany, dia misy anaran’olona ratsy fanahy maro ao amin’ny Baiboly. Maro koa ny olona tsy nivadika nefa tsy nolazainy ny anarany. Be mpahalala, ohatra, i Eva, ilay vehivavy voalohany. ` Tia tena sy tsy nankato anefa izy ka nitarika an’i Adama hanota, ary nijinja ny vokatr’izany isika rehetra. (Romanina 5:12) Tsy resahin’ny Soratra Masina kosa ny anaran’ny vadin’i Noa. Tena ankasitrahantsika anefa izy satria tsy tia tena sy ` nankato, ka nanampy ny vadiny hanao an’ilay asa ` namonjy aina. Tsy hoe tsy nisy dikany ary izy na hoe tsy nankasitrahan’i Jehovah matoa tsy nolazaina ny anarany. Misy olon-kafa tsy voalaza anarana koa ao amin’ny Baiboly, nefa nandray anjara be tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah ary be herim-po mihitsy aza. Eritrereto ilay zazavavy israeli` ta nanompo tao an-tranon’i Namana, filohan’ny tafika syrianina. Sahy niresaka tamin’ny vadin’i ` Namana momba ny mpaminanin’i Jehovah tany ` Israely izy. Izany no nahatonga an’i Namana ho sitrana tamin’ny fomba mahagaga. (2 Mpanjaka 5: 1-14) Tena nanam-pinoana koa ny zanakavavin’ ilay mpitsara israelita atao hoe Jefta. Vonona ny 10 NY TILIKAMBO FIAMBENANA tsy hanambady sy tsy hiteraka izy, mba hanatanterahana ny voadin-drainy. (Mpitsara 11:30-40) Salamo 40 mahery koa no tsy fantatra izay nanoratra azy. Nisy koa mpaminany namita iraka niavaka nefa tsy voalaza anarana.—1 Mpanjaka 20: 37-43. Mbola miavaka noho izany aza ny ohatra nomen’ireo anjely tsy nivadika. Misy an-jatony tapitrisa izy ireo nefa anaran’anjely roa monja no ao amin’ny Baiboly, dia i Gabriela sy Mikaela. (Daniela 7:10; Lioka 1:19; Joda 9) Tsy nolazaina kosa ny anaran’ny anjely hafa. Nanontanian’i Manoa, rain’ i Samsona, ohatra, ny anjely iray hoe: “Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra anao rehefa tanteraka ny teninao?” Hoy anefa ilay anjely: “Fa maninona ianao no manontany ny anarako?” Nanetry tena izy ka tsy nety nandray ny voninahitra tokony ho an’Andriamanitra irery ihany.—Mpitsara 13:17, 18. Tsy hazavain’ny Baiboly foana hoe nahoana no nolazaina ny anaran’ny olona sy anjely sasany ary tsy nolazaina ny an’ny hafa. Tsara hotahafina anefa ireny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika ireny, satria tsy nitady laza na voninahitra. ˇ ` MANATONA AN’ANDRIAMANITR A ‘Hita Mazava ny Toetrany Tsy Hita Maso’ Mino ve ianao fa misy Andriamanitra? Raha izany, ahoana no anaporofoanao fa misy izy? Tsy voatery hitady lavitra ianao, satria maro ny porofo manodidina antsika, izay manamarina fa misy Mpamorona hendry sy mahery ary be fitiavana. Inona izany porofo izany, ary tena maharesy lahatra ve? Mamaly izany ny taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Romanina. Hoy i Paoly momba an’Andriamanitra: “Ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony. Koa tsy afa-tsiny izy ireo.” (Romanina 1:20) Nilaza i Paoly fa manaporofo ny fisian’ny Mpamorona ny asan’ny tanany. Andeha isika hamakafaka ny teniny. Hita “hatramin’ny namoronana izao tontolo izao” ny toetran’Andriamanitra, hoy i Paoly. Tsy ny planeta Tany fa ny olombelona no tondroin’ilay teny grika nadika hoe “izao tontolo izao.”1 Inona ` ary no tian’i Paoly holazaina? Vao noforonina ny olombelona dia efa afaka nahita ny toetran’ny Mpamorona eo amin’ny zavatra noforoniny. “Hita mazava” amin’ny zavaboary, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, fa misy ny Mpamorona. Miharihary amin’izy ireny koa fa manana toetra mahatalanjona izy. Hita, ohatra, hoe hendry izy satria tena mahavariana ny fomba nanaovana ny zavaboary. Mampiharihary ny heriny ny lanitra feno kintana sy ny fidoboky ny onja. Hita koa hoe tiany isika olombelona, noho ireo sakafo isan-karazany ankafizintsika, ny haka1 Lazain’ny Baiboly koa fa manota sy mila mpanavotra “izao tontolo izao.” Mbola ny olombelona ihany no tiana holazaina amin’ izany fa tsy ny tany.—Jaona 1:29; 4:42; 12:47. nton’ny masoandro miposaka sy ny masoandro mody.—Salamo 104:24; Isaia 40:26. Tena miharihary ireo porofo ireo, ka “tsy afa-tsiny” izay tsy mahita azy ireny sy tsy mety mino hoe misy Andriamanitra. Nampiasa ohatra toy izao ny manam-pahaizana iray: Eritrereto hoe misy mpamily mody tsy mahita takela-by iray misy soratra hoe “Mivilia Miankavia.” Nosakanan’ny polisy izy ary nampandoaviny lamandy. Manazava ilay mpamily hoe tsy hitany ilay takela-by. Tsy marim-pototra anefa izany satria miharihary be ilay takela-by, Manaporofo ny fisian’ny Mpamorona ny asan’ny tanany ary mahita tsara izy. Takina amin’ny mpamily koa ny mijery takela-by sy manaraka izay lazain’izy ireny. Miharihary toy izany koa ny zavaboary, izay manaporofo fa misy Andriamanitra. Afaka mahita azy ireny isika satria zavaboary manan-tsaina. Tsy afatsiny isika raha tsy miraharaha azy ireny. Tena manampy antsika hahafantatra ny Mpamorona ny zavaboary, satria “hita mazava” amin’ izy ireny ny “toetrany tsy hita maso.” Mihoatra lavitra noho izany anefa ny Baiboly. Ho hitantsika ao ny valin’ity fanontaniana lehibe ity: Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany sy ny olombelona? Raha mahalala ny valin’izany isika, dia hanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra. ˇ FAMAKIANA BAIBOLY AMIN’NY AOGOSITRA Romanina 1-16 TAHAFO NY FINOAN’IZ Y IREO NOA Voaro Izy “sy Ireo Fito Hafa” LAO sary an-tsaina ry Noa mianakavy niara-nitakoko, rehefa nivatravatra ny orana. Tarafin’ ilay jiro mitsilopilopy ny endrik’izy ireo ka hita hoe nihiratra be ny masony rehefa nipoapoaka tamin’ny tafo ny orana, ary avy eo niraraka nanaraka ny sisin’ny sambofiara. Tsy maintsy ho nankarenin-tsofina izany. Velom-pisaorana an’i Jehovah Andriamaniny i Noa, rehefa nijery ny endriky ny ankohonany. Tsy iza izany fa ny vadiny sy ny zanany telo lahy ary ny vadin’izy ireo avy, izay samy nanam-pinoana. Tsy maintsy ho nampahery an’i Noa ny nahita an’ ireo olona tiany indrindra teo anilany, tamin’io fotoana nanjombona io. Azo inoana fa nisolo tena ny fianakaviany izy mba hanao vavaka fisaorana, ary niteny mafy mba ho re ny feony tao anatin’ilay tabataba be. Tena nanam-pinoana i Noa, ka narovan’i Jehovah izy sy ny fianakaviany. (Hebreo 11:7) Tsy nila nanam-pinoana intsony ve izy ireo, rehefa avy ny orana? Tsia. Nilaina foana izany, satria mbola maro ny zava-tsarotra niandry azy ireo. Toy izany koa isika amin’izao vanim-potoana misafotofoto ` izao. Andeha ary hojerentsika izay azo ianarana avy amin’i Noa. A “EFAPOLO ANDRO SY EFAPOLO ALINA” Nitohy nandritra ny “efapolo andro sy efapolo alina” ilay oram-be nivatravatra. (Genesisy 7:4, 11, 12) Niakatra foana ny rano. Hitan’i Noa hoe sady niaro ny olo-marina ilay Andriamaniny no nanasazy ny ratsy fanahy. 12 NY TILIKAMBO FIAMBENANA Nampitsahatra ny fikomiana nataon’ny anjely io Safodrano io. Maro mantsy ny anjely lasa tia tena toa an’i Satana, ka “nandao ny fonenana sahaza azy” tany an-danitra, mba hanambady vehivavy teto an-tany. Niteraka metisy atao hoe Nefilima izy ireo. (Joda 6; Genesisy 6:4) Azo antoka ` hoe faly ery i Satana rehefa maro no nikomy. Vao mainka mantsy izany nanambany ny olombelona, izay tsara indrindra tamin’ny zavaboarin’i Jehovah teto an-tany. Rehefa niakatra anefa ny rano, dia voatery namoy ny vatan’olombelona nananany ireo anjely mpikomy ary niverina tany an-danitra. Navelany teo ny vady aman-janany, ka matin’ny Safodrano niaraka tamin’ny mpiara-belona taminy. Tsy afaka niova ho olombelona intsony ireny anjely ireny ` taty aoriana. Efa tamin’ny andron’i Enoka, 700 taona teo ho eo talohan’io, i Jehovah no nampitandrina ny olona fa handringana ny ratsy fanahy izy. (Genesisy 5:24; Joda 14, 15) Vao mainka niharatsy anefa ny olona, ka lasa simba sy feno herisetra ny tany. Ringana izy ireo izao. Nahafaly an-dry Noa ve izany? Tsia, ary tsy faly koa ny Andriamanitr’izy ireo. (Ezekiela 33:11) Be famindram-po mantsy i Jehovah, ka nanao izay azo atao mba hanavotana olona faran’izay betsaka. Nirahiny hampitandrina ny olona i Enoka, ary nasainy nanamboatra sambo i Noa. Am-polony taona ry Noa mianakavy no somokotra nanao an’io asa lehibe io, ary nahita izany ny rehetra. Nasain’i Jehovah ‘nitory ny fahamarinana’ koa i Noa. (2 Petera 2:5) Toa an’i Enoka, dia nampitandrina ny olona izy fa hampihatra didim-pitsarana amin’izy ireo Andriamanitra. Nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo? Hitan’i Jesosy avy ` tany an-danitra izay nitranga. Hoy izy, taty aoriana, momba ny olona tamin’ny andron’i Noa: “Tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”—Matio 24:39. Nanao ahoana ny fiainan-dry Noa nandritra an’ ireo 40 andro, taorian’ny nanakatonan’i Jehovah ny varavaran’ny sambofiara? Azo inoana hoe lasa fahazaran’izy ireo ny nikarakara izay nilain’ny hafa, nampirimpirina an’ilay fonenany, ary nanome izay nilain’ireo biby niaraka taminy tao, na dia avy be aza ny orana. Indray andro anefa nihetsika ilay sambo be, ary avy eo nisosa moramora. Nitsingevana teny ambony rano ilay sambofiara, ary niakatra hatrany hatrany, ka lasa “nitsinkafona ambony be niala tamin’ny tany.” (Genesisy 7:17) Hita mihitsy hoe Andriamanitra Mahery Indrindra i Jehovah! Tsy maintsy ho nisaotra an’i Jehovah i Noa tamin’izay. Niaro azy mianakavy mantsy izy ary namindra fo, ka nampiasa azy ireo mba hampitandrina an’ireo olona ringana tany ivelany. Tsy niraharaha anefa ny olona, ka toa tsy nisy vokany ilay asa mafy nataon’izy ireo nandritra ny taona maro. Eritrereto ange e! Nanana rahalahy sy anabavy i Noa, ary azo inoana fa mbola velona izy ireo sy ny zanany talohan’ilay Safodrano. Tsy nisy nihaino an’i Noa anefa, afa-tsy ny vady aman-janany. (Genesisy 5:30) Efa voaro tao anaty sambofiara izy ireo izao. Azo antoka fa nampahery azy ireo ny nitodika ny lasa, dia ireo fotoana rehetra nanampiany ny olona mba ho voavonjy. Tsy niova i Jehovah, hatramin’ny andron’i Noa ka hatramin’izao. (Malakia 3:6) Nilaza i Jesosy Kristy fa toy ny tamin’ny “andron’i Noa” ny androntsika. (Matio 24:37) Vanim-potoana miavaka no iainantsika, satria hifarana izao fotoan-tsarotra izao rehefa horinganina ity tontolo ratsy ity. Mampitandrina ny olona vonon-kihaino koa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Hanaraka an’ilay fampitandremana ve ianao? Raha efa nanao izany ianao, tsy mba hampitandrina ny hafa koa ve ianao mba ho voavonjy izy? Namela ohatra tsara ho antsika rehetra ry Noa. Azo inoana fa nitarika fotoam-pivavahan’ny fianakaviana foana i Noa, na dia tao anatin’ny fotoana mafy indrindra aza 1 AOGOSITRA 2013 13 “TAFITA SOA AMAN-TSARA AVY TAMIN’NY RANO” Natopatopan’ilay ranomasimbe ny sambofiara, ary azo antoka fa ren’ireo tao anatiny ny feo maranitra sy midridroka avy amin’ireo hazo be nandrafitra an’ilay sambo. Nanahy ve i Noa sao ho simban’ny onja mahery ilay sambo? Tsia. Ny olona mpisalasala ankehitriny no mety hanahy momba izany. Tsy toy izany anefa i Noa. Hoy ny Baiboly: ‘Finoana no nanamboaran’i Noa sambofiara.’ (Hebreo 11:7) Nanao fifanekena taminy mantsy i Jehovah fa hitsimbina azy sy izay miaraka aminy mandritra ny Safodrano, ary nino izany i Noa. (Genesisy 6:18, 19) Tsy ho vitan’ilay namorona ny tany sy izao rehetra izao ve ny hiaro an’ilay sambo tsy ho simba? Mazava ho azy fa vitany izany! Natoky tanteraka i Noa fa hitana ny teniny i Jehovah, ary dia “tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano” tokoa izy mianakavy.—1 Petera 3:20. Nitsahatra ihany ny orana, rehefa afaka 40 andro sy 40 alina. Tokotokony ho tamin’ny Desambra 2370 Talohan’i Kristy izany, raha amin’ny kalandrientsika. Mbola tsy nifarana teo anefa ny tantaran-dry Noa tao anatin’ilay sambofiara. Io sambo feno zavamananaina io irery no namakivaky an’ilay ranomasina midadasika, izay nihoatra ny tampon’ireo tendrombohitra. (Genesisy 7:19, 20) I Noa angamba no nanao ny raharaha sarotra, niaraka tamin’i Sema sy Hama ary Jafeta. Nikarakara tsy tapaka ny biby rehetra izy ireo, amin’izay ireo biby mahazo sakafo sy madio ary salama tsara. Nataon’Andriamanitra tsy masiaka ny bibidia rehetra, ka mora ny nampiditra azy tao anaty sambofiara. Azo antoka fa nataony toy izany foana izy ireo nandritra ny Safodrano.1 Hita hoe noraketin’i Noa an-tsoratra ny zava-nitranga, ka fantatsika hoe oviana no nanomboka avy ny orana, ary oviana no nitsahatra. Fantatsika koa fa safotry ny rano ny tany nandritra ny 150 andro. Nihena ihany ilay izy tamin’ny farany. Indray andro, nipetraka moramora teo amin’ny “tendrombohitra Ararata”, any Torkia ankehitriny, ilay sambofiara. Tamin’ny Aprily 2369 Talohan’i 1 Misy milaza fa nety ho nataon’Andriamanitra be torimaso ireo biby, ka tsy nila sakafo firy. Na ahoana na ahoana, dia nitana ny teniny izy, ka tafavoaka velona izay rehetra tao anatin’ny sambofiara. 14 NY TILIKAMBO FIAMBENANA Kristy angamba izany. Ny volana Jona, 73 andro taorian’izay, vao hita ny tampon’ireo tendrombohitra. Nanesoran’i Noa ny tafon’ilay sambo ny Septambra, izany hoe telo volana taorian’izay. Azo ` antoka fa faly ery izy ireo nahazo hazavana sy rivotra madio. Efa nanao zavatra izy talohan’io, mba hahalalana raha efa azo nonenana tany ivelany. Nandefa goaika izy tamin’izay. Nivezivezy tany izy io, ary angamba nijanona kely teo amin’ ilay sambo rehefa vizana. Nandefa voromailala indray izy, ary niverina teo amin’i Noa foana izy io mandra-pahitany toerana honenana.—Genesisy 7:24–8:13. Azo antoka fa ny zavatra ara-panahy no tena zava-dehibe tamin-dry Noa. Tsy maintsy ho niaranivavaka tsy tapaka izy mianakavy, ary niresaka momba an’ilay Rainy any an-danitra, izay niaro azy ireo. Niantehitra tamin’i Jehovah i Noa, isaky ny handray fanapahan-kevitra lehibe. Na hitany aza hoe “efa maina tanteraka” ny tany, rehefa afaka herintaona mahery, dia tsy namoha ny varavaran’ny sambofiara izy ka hoe hitarika ny fianakaviany sy ireo biby hivoaka tao. (Genesisy 8:14) Niandry an’i Jehovah izy! Maro ny zavatra azon’ny raim-pianakaviana ianarana avy amin’io lehilahy nanam-pinoana io. Nahay nandamin-javatra izy, nazoto niasa, nanam-paharetana, ary niaro ny ankohonany sy ireo biby nasaina nokarakarainy. Nataony loha laharana foana anefa ny sitrapon’i Jehovah. Hitondra fitahiana ho an’ireo olona tena tiantsika isika, raha manahaka an’i Noa amin’ireo lafiny ireo. “MIVOAHA AVY AO AMIN’NY SAMBOFIARA” Ela ny ela ka niteny i Jehovah hoe: “Mivoaha avy ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao mbamin’ny vadin’ny zanakao.” Izy mianakavy no nivoaka voalohany ary avy eo ny biby. Tsy nikorontana anefa izy ireo tamin’izany. Lazain’ny Baiboly fa “nivoaka avy tao amin’ny sambofiara” ireo biby “araka ny karazany avy.” (Genesisy 8:1519) Afaka nifoka rivotra madio ry Noa mianakavy, rehefa tafavoaka teo ivelany. Nitazana avy teo amin’ny tendrombohitra Ararata izy ireo, ka hitany fa voadio tanteraka ny tany. Tsy nisy intsony ny Nefilima, ny herisetra, ny anjely mpikomy, ary ireo Efa voadio ny tany, rehefa nivoaka avy tao amin’ny sambofiara i Noa sy ny fianakaviany olona ratsy fanahy!1 Afaka nanomboka fiainambaovao indray ny olombelona. Fantatr’i Noa izay tokony hatao, ka nanorina alitara izy. Tsaroanao angamba fa nakan’i Noa fito avy ny biby madio rehetra ary nentiny tao amin’ ny sambofiara. Naka tamin’ireo izy mba hatao fanatitra dorana ho an’i Jehovah. (Genesisy 7:2; 8:20) Nahafaly an’i Jehovah ve izany? Hoy ny Baiboly: “Nandre hanitra mampitony i Jehovah.” Marina fa nalahelo Andriamanitra rehefa feno herisetra ny tany. Tony sy finaritra anefa izy izao, nahita fianakaviana nanam-pinoana nanompo azy teto an-tany sady vonona hanao ny sitrapony. Tsy nanantena anefa i Jehovah hoe ho lavorary izy ireo. Hoy mantsy ny tohin’ilay andininy: “Zava-dratsy foana no irin’ny fony, efa hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21) Nisy zavatra hafa nampiseho hoe mbola naneho faharetana sy famindram-po tamin’ny olona i Jehovah. Tsy nanozona ny tany intsony izy. Nanozona ny tany mantsy izy rehefa nikomy i Adama sy Eva, ka nanahirana ny asa fambolena. Nantsoin’i Lameka hoe Noa, izay mety hidika hoe “Fitsaharana” na “Fampiononana”, ny anaran’ny zanany. Naminany koa izy fa hanafaka ny olona amin’io ozona io i Noa. Tsy maintsy ho faly be i Noa rehefa nahalala fa ho tanteraka ilay faminaniana, ka ho mora volena kokoa ny tany. Tsy mahagaga raha lasa mpamboly izy.—Genesisy 3:17, 18; 5:28, 29; 9:20. 1 Tsy hita intsony koa ny zaridainan’i Edena, satria nety ho simban’ny rano. Raha izany, dia afaka niverina tany an-danitra ireo kerobima niambina ny lalana nankao. Nifarana ihany ilay asa nataony tao anatin’ny 1600 taona.—Genesisy 3:22-24. ` Nomen’i Jehovah lalana tsotra sy mazava ny taranak’i Noa rehetra. Norarany tsy hamono olona sy tsy hihinana ra, ohatra, izy ireo. Nanao fifanekena tamin’ny olombelona koa izy, ka nampanantena fa tsy handringana ny zavamananaina amin’ ny safodrano intsony. Nasiany avana teny amin’ny lanitra, mba hanaporofoana fa azo itokisana ny teniny. Tamin’izay ny olona no nahita an’io zava-mahatalanjona io voalohany. Isaky ny mahita avana isika ankehitriny, dia tadidintsika foana ilay fampanantenana feno fitiavana nataon’i Jehovah. —Genesisy 9:1-17. Nety ho tapitra teo amin’ilay avana ny tantaran’ i Noa, raha angano fotsiny. Tena nisy anefa i Noa, ary tsy mora foana ny fiainany. Ela velona ny olona tamin’izany, ka mbola niaina 350 taona izy vao maty. Maro ny zavatra nampahory azy nandritra an’ireo taona ireo. Nanao fahadisoana lehibe izy, indray mandeha, satria mamo. Nanampy trotraka an’izany ny fahadisoana lehibe kokoa nataon’i Kanana zafikeliny. Nitondra vokany mangidy tamin’ ny fianakavian’i Kanana izany. Mbola velona hatramin’ny andron’i Nimroda i Noa, ka nahita hoe lasa mpanompo sampy sy nahery setra ny taranany. Nampahery azy anefa ny nahita fa tena nanampinoana i Sema, ka ohatra tsara ho an’ny fianakaviany.—Genesisy 9:21-28; 10:8-11; 11:1-11. Manahaka an’i Noa isika raha tsy mivadika mihitsy, na dia miatrika olana aza, ohatra hoe tsy miraharaha an’i Jehovah ny olona manodidina antsika, na tsy manompo azy intsony. Tena sarobidy aminy ny fiaretana toy izany. Hoy i Jesosy Kristy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” —Matio 24:13. ˇ 1 AOGOSITRA 2013 15 VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY Henoin’Andriamanitra ve ny vavaka rehetra? Mihaino ny vavaka ataon’ny olona avy amin’ny firenena rehetra Andriamanitra. (Salamo 145: 18, 19) Milaza ny Baiboly fa tokony horesahintsika amin’Andriamanitra izay rehetra manahiran-tsaina antsika. (Filipianina 4:6, 7) Misy vavaka tsy ankasitrahany anefa. Tsy tiany, ohatra, ny vavaka atao tsianjery.—Vakio ny Matio 6:7. Tsy tian’i Jehovah koa ny vavaka ataon’ireo mi` ` nia tsy mankato ny lalany. (Ohabolana 28:9) Tsy nihaino ny vavaka nataon’ireo Israelita fahiny, ohatra, izy satria namono olona izy ireo. Tsy maintsy ` manao izay takiny ary isika raha tiantsika hohenoiny ny vavaka ataontsika.—Vakio ny Isaia 1:15. Tsy maintsy manam-pinoana isika rehefa mivavaka amin’Andriamanitra. (Jakoba 1:5, 6) Tsy maintsy resy lahatra isika fa misy izy ary mikarakara antsika. Hihamatanjaka ny finoantsika rehefa mianatra Baiboly isika. Manampy antsika hanana ny tena finoana mantsy ireo porofo sy fanomezantoky ao.—Vakio ny Hebreo 11:1, 6. Tokony hanao vavaka vokatry ny fo isika, ary hanetry tena rehefa manao izany. Na i Jesosy, Zanak’ Andriamanitra, aza nanetry tena rehefa nivavaka. (Lioka 22:41, 42) Tsy tokony hibaikobaiko an’Andri` amanitra ary isika, fa hiezaka hamantatra izay takiny ka hamaky Baiboly. Hifanaraka amin’ny sitrapony ny vavaka ataontsika amin’izay.—Vakio ny 1 Jaona 5:14. HAHITA VALIM-PANONTANIANA HAFA KOA IANAO AO AMIN’NY INTERNET s n o Azo alaina maimaim-poana ao ity gazety ity sy ny gazety taloha p Misy Baiboly amin’ny fiteny 50 eo ho eo ao Nahoana no misy vavaka tsy ankasitrahan’Andriamanitra? INONA Marina NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY? Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 17 ao amin’ity boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ity Azo alaina ao amin’ny www.jw.org/mg io boky io Midira ao amin’ny www.jw.org /mg na alaivo sary amin’ny fitaovana ` misy kamera sy Internet ity kaody QR ity wp13 08/01-MG 130509 Inona no takiny amin’izay mivavaka aminy?