SARY VETAVETA?

Komentarze

Transkrypt

SARY VETAVETA?
1 AOGOSITRA 201 3
34567
TENA MANIMBA VE NY
SARY VETAVETA?
(
34567
Vol. 134, No. 15
Semimonthly
MALAGASY
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
dia natao hanomezana voninahitra
an’i Jehovah Andriamanitra, ilay
Mpanjakan’izao rehetra izao.
Mampahery ny vaovao tsara
voalaza ato, dia ny hoe kely sisa
ny Fanjakan’Andriamanitra any
an-danitra dia hanafoana ny
faharatsiana rehetra ary hanova ny
tany ho paradisa. Mampirisika ny
olona ity gazety ity mba hino an’i
Jesosy Kristy, izay efa Mpanjakan’io
Fanjakana io izao. Nahafoy ny ainy
mantsy izy mba hahazoantsika
fiainana mandrakizay. Tamin’ny 1879
ity gazety ity no nanomboka navoaka,
ary tsy momba ny atsy na ny aroa
amin’ny politika. Avy ao amin’ny
Baiboly ny zavatra resahina ato.
Raha mila fanazavana
fanampiny ianao na
te hianatra Baiboly
maimaim-poana, dia
Isan’ny indray mivoaka: 44 978 000
AMIN’NY FITENY 209
AUGUST 1, 2013
MATOAN-DAHATSORATRA
TENA MANIMBA VE NY
Sary Vetaveta?
PEJY 3
HO HITANAO ATO KOA
Manova Olona ny Baiboly 8
Manontany ny Mpamaky:
Nahoana no Tsy Lazain’ny Baiboly ny Anarana Sasany? 10
`
Manatona An’Andriamanitra:
‘Hita Mazava ny Toetrany Tsy Hita Maso’ 11
Tahafo ny Finoan’izy Ireo:
Voaro Izy “sy Ireo Fito Hafa” 12
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly 16
tsidiho ny www.jw.org
na manorata any amin’ny
iray amin’ireto adiresy ireto:
Ho an’i ETAZONIA:
Vavolombelon’i Jehovah
25 Columbia Heights
Brooklyn, NY 11201-2483
Ho an’i MADAGASIKARA:
Vavolombelon’i Jehovah
BP 116
105 Ivato
(s
AO AMIN’NY INTERNET www.jw.org /mg
Misy ny adiresin’ny biraon’ny sampan’ny
Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ao amin’
ny www.jw.org /mg /adiresy-sy-telefaonina.
FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA
MOMBA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH:
Tsy Ifaneraseranareo Intsony ve ny
Vavolombelona Namanareo Taloha?
˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙˙
Tsy natao hamidy ity gazety ity. Ny famoahana
azy ity dia anisan’ny asa fampianarana Baiboly
maneran-tany tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo. Raha tsy misy fanamarihana
manokana, dia avy amin’ilay dikan-teny maoderina hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny
Tontolo Vaovao ny andinin-teny ato.
The Watchtower (ISSN 0043-1087) is published
semimonthly by Watchtower Bible and Tract
Society of New York, Inc.; L. Weaver, Jr.,
President; G. F. Simonis, Secretary-Treasurer;
25 Columbia Heights, Brooklyn, NY 11201-2483.
FIOVAM-PONENANA: Omeo anay ny adiresinao
vaovao sy taloha. 5 2013 Watch Tower Bible and
Tract Society of Pennsylvania. Tsy azo adika na
alain-tahaka. Printed in Japan.
r
(Jereo ao amin’ilay hoe MOMBA ANAY ˛ FANONTANIANA
FAMETRAKY NY OLONA)
1 AOGOSITRA 2013
34567
AZO ALAINA AO
AMIN’NY INTERNET
ITY GAZETY ITY
TENA MANIMBA VE NY
SARY VETAVETA?
MATOAN-DAHATSORATRA
Tena Manimba ve ny
Sary Vetaveta?
Miely patrana izao ny sary vetaveta.1 Mety hahitana
azy ireny ny dokam-barotra, boky misy lamaody, filma, hirahira, gazetiboky, tele, lalao video, Internet,
ary finday sy fitaovana elektronika hafa. Toa tsy mampaninona ny olona ny mijery sary vetaveta. Betsaka
noho ny hatramin’izay izao ny sary vetaveta miely sy
ny olona mijery azy ireny.—Jereo ny efajoro “Antontan’isa Momba ny Sary Vetaveta.”
Miova koa ny fiheveran’ny olona ny sary vetaveta.
Hoy ny profesora Gail Dines: “Efa tena mihoa-pampana ny sary vetaveta mivoaka. Ireo noheverin’ny
olona taloha hoe tena mamoafady izao no lazaina fa
`
ara-dalana.”
Ary ahoana ny hevitrao? Tsy mampaninona ve ny
mijery sary vetaveta sa tena manimba? Hoy i Jesosy:
“Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, ary ny
hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy.” (Matio
7:17) Mamoa voa tsara sa voa ratsy ny sary vetaveta?
Andeha isika handinika hevitra vitsivitsy, mba hamaliana izany.
1 Ny “sary vetaveta” dia fampisehoana an-karihary olona manao
firaisana. Mety ho sary izany, na soratra, na feo, ary natao hanairana ny fanirian’ny olona hanao firaisana.
1 AOGOSITRA 2013
3
Inona no vokatry ny sary vetaveta eo
amin’ny olona?
INONA NO LAZAIN’NY MANAM-PAHAIZANA?
Tena manandevo ny sary vetaveta. Misy manampahaizana mampitovy azy io amin’ny zava-mahadomelina.
Hoy i Rivo,1 izay mpijery sary vetaveta tao amin’
ny Internet: “Tsy nisy nahasakana ahy tsy hijery
an’ilay izy mihitsy. Hoatran’ireny nentin-javatra
ireny aho. Nangovitra aho rehefa avy nijery an’ilay
izy, ary lasa narary andoha. Niezaka niala tamin’
ilay fahazaran-dratsy aho, nefa mbola nandevozi`
ny ihany taona maro taty aoriana.”
Manafina ny fahazarany ny olona andevozin’ny
sary vetaveta. Manafin-toetra sy mamitaka ny hafa
izy. Tsy mahagaga raha lasa mitokantokana izy,
mahatsiaro ho menatra, miady saina, kivy be, ary
tezi-dava. Misy aza te hamono tena. Hoy i Benja,
izay nampiditra sary vetaveta tao amin’ny findainy,
saika isan’andro: “Tsy nieritreritra afa-tsy ny tenako aho ary lasa namoy fo. Nanamelo-tena aho, nahatsiaro ho tsy nisy dikany sy nanirery ary voafandrika. Menatra loatra aho ka natahotra ny hitady
fanampiana.”
Misy vokany ratsy ny sary vetaveta, na sendra
nahita izany ilay olona na nijery vetivety fotsiny.
Niresaka tamin’ny Antenimieran-doholona tany
Etazonia ny Pr. Judith Reisman, izay nikaroka momba ny sary vetaveta. Hoy izy: “Miraikitra ao andoha ny sary vetaveta sady manimba saina. Vetivety eo ny atidoha dia mamoaka zavatra simika,
izay mahatonga an’ilay sary ho sarotra hadinoina
na tsy hiala ao an-tsaina.” Hoy i Landy, 19 taona,
izay sendra nahita sary vetaveta tao amin’ny Internet: “Miraikitra be ao an-dohako ilay sary. Miverina tampoka ao an-tsaiko ilay izy. Hoatran’ny tsy ho
afaka hanala an’ilay izy ao mihitsy aho.”
FEHINY: Manandevo ny sary vetaveta ary manimba ny fiainan’izay mijery azy.—2 Petera 2:19.
1 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.
4
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
Inona no vokatry ny sary vetaveta eo
amin’ny fianakaviana?
INONA NO LAZAIN’NY MANAM-PAHAIZANA?
“Mampisaraka ny mpivady sy mampisara-bazana
ny fianakaviana ny sary vetaveta.”—Ny Fandriky
ny Sary Vetaveta (anglisy), nosoratan’i Wendy sy
Larry Maltz.
Manimba tokantrano ny sary vetaveta, satria:
ˇ Mihena ny fifampitokisana sy ny fifankatiavan’
ny mpivady.—Ohabolana 2:12-17.
ˇ Mahatonga an’ilay olona ho tia tena, tsy hiraikipo amin’ny vadiny, ary tsy ho afa-po aminy intsony.—Efesianina 5:28, 29.
ˇ Mahatonga an’ilay olona hanonofinofy manao firaisana mamoafady sy haniry mafy hanao izany.
—2 Petera 2:14.
ˇ Lasa te hanery ny vadiny hanao firaisana mamoafady ilay olona.—Efesianina 5:3, 4.
ˇ Mahatonga an’ilay olona haniry hanao firaisana
amin’ny olona tsy vadiny sy hanitsakitsa-bady.
—Matio 5:28.
ANTONTAN’ISA MOMBA
NY SARY VETAVETA
ISAN-TSEGONDRA:
Efa ho 30 000 ny olona
mijery sary vetaveta ao amin’ny
Internet.
ISA-MINITRA:
E-mail misy sary vetaveta
1,7 TAPITRISA mahery no
alefan’ireo mpampiasa Internet.
ISAN’ORA:
ROA eo ho eo ny filma misy
sary vetaveta tena mamoafady
mivoaka, any Etazonia.
Milaza ny Baiboly fa tsy tokony ‘hivadika’ amin’
ny vadiny ny mpivady. (Malakia 2:16) Mivadika
amin’ny vadiny ny olona iray rehefa manitsakitsaka azy. Manimba tokantrano izany, ka mety hahatonga ny mpivady hifampisintaka sy hisaraka.
Misy vokany ratsy eo amin’ny ankizy koa anefa
izany.
Tena manimba ny ankizy ny sary vetaveta. Hoy
i Rivo, ilay voaresaka tany aloha: “Nanao an-kiafina aho, indray mandeha, tamin’izaho folo taona
teo ho eo, ka hitako tampoka ny bokin’i Dada, izay
nisy sary vetaveta. Nangalatra nijery azy ireny aho
nanomboka teo, na dia tsy fantatro aza izay nitiavako azy. Lasa zatra nijery azy ireny aho mandrapahalehibeko.” Nasehon’ny fikarohana fa mahatonga ny ankizy ho tia manao firaisana ny sary
vetaveta. Lasa mpanao firaisana amin’ny olona
maro samihafa izy, mahery setra rehefa manao
izany, ary mikorontana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po.
FEHINY: Mahatonga ny olona tsy hifankatia intsony ny sary vetaveta, ary miteraka ratram-po sy
alahelo.—Ohabolana 6:27.
ISAN’ANDRO:
ROA TAPITRISA mahery ny
filma vetaveta hofan’ny olona,
any Etazonia fotsiny.
ISAM-BOLANA:
Tovolahy 9 isaky ny 10 ary
tovovavy 3 isaky ny 10 no mijery
sary vetaveta, any Etazonia.
ISAN-TAONA:
Mahazo vola IRAY HETSY
TAPITRISA dolara ny
orinasa mpamokatra sary
vetaveta.
1 AOGOSITRA 2013
5
Inona no hevitr’Andriamanitra
momba ny sary vetaveta?
HOY NY BAIBOLY: “Koa vonoy ireo fironan-dratsy
ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary
ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.”—Kolosianina 3:5.
`
Halan’i Jehovah1 Andriamanitra ary ny sary vetaveta. Tsy hoe mora tafintohina amin’ny resaka firaisana akory izy. Izy aza no namorona ny taovampananahana. Nataony afaka manao firaisana ny
mpivady, satria tiany hahita fahafinaretana sy hifankatia kokoa ary hiteraka izy ireo.—Jakoba 1:17.
`
Nahoana ary isika no milaza fa tena halan’i Jehovah ny sary vetaveta? Ireto misy antony vitsivitsy:
ˇ Fantany hoe manimba ny sary vetaveta.—Efesianina 4:17-19.
ˇ Tiany isika ka tiany harovana.—Isaia 48:17, 18.
ˇ Te hiaro ny mpivady sy ny fianakaviana i Jehovah.—Matio 19:4-6.
ˇ Tiany hadio fitondran-tena sy hanaja ny zon’ny
hafa isika.—1 Tesalonianina 4:3-6.
ˇ Tiany hampiasa ny taovam-pananahana amin’ny
fomba mendri-kaja isika.—Hebreo 13:4.
ˇ Fantatr’i Jehovah fa mampiharihary ny hevitra
diso sy feno fitiavan-tena momba ny firaisana ny
sary vetaveta, ary ahitana taratra ny hevitr’i Satana momba ny firaisana.—Genesisy 6:2; Joda 6, 7.
FEHINY: Manimba ny fifandraisan’ny olona amin’
Andriamanitra ny sary vetaveta.—Romanina 1:24.
1 Resahin’ny Baiboly fa Jehovah no anaran’Andriamanitra.
6
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
1
2
Na izany aza, dia tena mamindra fo amin’ireo tsy
te handevozin’ny sary vetaveta intsony i Jehovah.
Hoy ny Baiboly: “Mamindra fo sy tsara fanahy i Jehovah, tsy mora tezitra sady be hatsaram-panahy
feno fitiavana. Fa fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Salamo
103:8, 14) Asainy hanatona azy ny olona manetry
tena. Amin’izay izy dia “hahazo famindram-po”
sy “hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” ary ‘hahazo fanampiana amin’ny fotoana
mety.’—Hebreo 4:16; jereo ilay hoe: “Ahoana no
Hialana Amin’ilay Fahazaran-dratsy?”
Olona maro no nanaiky hampian’Andriamanitra, ka afaka tamin’ny fahazaran-dratsy. Hoy ny
Baiboly momba azy ireo: “Efa voasasa madio tsara
ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nambara
ho marina ianareo tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy
Tompontsika sy tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.” (1 Korintianina 6:11) Afaka milaza toy ny apostoly Paoly izy ireo hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay
manome hery ahy.”—Filipianina 4:13.
Resin’i Landy ny fahazaran-dratsiny. Hoy izy: “I
Jehovah ihany no afaka manampy anao tsy handevozin’ny sary vetaveta intsony. Raha mangataka ny
fanampiany sy ny tari-dalany ianao, dia hadio eo
anatrehany. Tsy hanary anao izy.”
3
4
Ahoana no Hialana Amin’
ilay Fahazaran-dratsy?
Ianao ve mahalala olona zatra mijery sary vetaveta, nefa te hiala amin’io fahazaran-dratsy io? Ampirisiho izy hanaraka an’ireto soso-kevitra ireto, izay
efa nanampy olon-kafa koa:
1. Mivavaha amin’Andriamanitra.
“Tena ilaina ny mangataka fanampiana amin’i
Jehovah, raha tsy te hijery sary vetaveta intsony ianao.”—Franz.
Afaka manome fanahy masina an’ilay olona i Jehovah, amin’izay izy ‘sady maniry no manatanteraka.’ (Filipianina 2:13) Hanampy azy handresy ny
“filan-dratsiny sy ny faniriany” ny fanahy masina,
raha manaiky hotarihin’izy io izy.—Galatianina 5:
16, 24.
2. Mitadiava fanampiana amin’olona.
“Zavatra afenimpenina sy mahamenatra ny mijery sary vetaveta, ka mihevitra ianao fa tsy ho vitanao mihitsy ny hitady fanampiana. Mieritreritra
ianao hoe ho vitanao samirery ny hiala amin’ilay
izy. Tsy hahavita izany anefa ianao raha tsy misy
`
manampy. Nampandeferiko ary ny hambom-poko,
ka nitsotra tamin’ny vadiko aho. Nitady fanampiana tamin’ny namana natokisako koa aho. Izany no
mafy indrindra tamiko, nefa tena nanampy ahy.
—Yoshi.
Tsy mora ny mamboraka an’ilay izy amin’ny
hafa, ka mila tapa-kevitra sy misikina herim-po ianao. Tokony hanao izany anefa ianao raha te handresy an’ilay fahazaran-dratsy sy hifandray tsara
indray amin’ireo olona akaiky anao. Hoy i Landy,
ilay voaresaka tany aloha: “Tena maivamaivana
aho taorian’izay. Mafy aloha ilay izy, kanefa lasa nilamin-tsaina aho.”—Jakoba 5:16.
3. Ialao ireo zavatra mahatonga an’ilay
fanirian-dratsy.
Rehefa mieritreritra inona izy no te hijery sary
vetaveta? Inona ny toe-javatra na fihetseham-po
mahatonga azy hanao izany? Mijery Internet ve?
Sa mijery filma amin’ny alina be? Sa mamaky
boky? Sa mankeny amoron-dranomasina? Sa rehefa noana, tezitra, irery, na vizana? Hoy i Sven: “Fantaro ireo zavatra mahatonga an’ilay fanirian-dratsy, ary halaviro hoatran’ny areti-mifindra.” Hoy i
`
Jesosy: “Raha ny masonao havanana ary no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao.”
—Matio 5:29.
Hoy i Franz: “Raha mijery vehivavy aho ka te hanao firaisana aminy, dia mivavaka amin’i Jehovah
haingana aho ary tonga dia aviliko ny masoko.”
Hoy i Joba, lehilahy nanam-pinoana fahiny: “Efa
nanao fifanekena tamin’ny masoko aho, koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?”—Joba 31:1.
4. Miezaha mifandray tsara amin’Andriamanitra.
Hoy ihany i Franz: “Zavatra tsara amenoana ny
saina, ary manaova zavatra ara-panahy be dia be.”
Hoy ny Baiboly: “Na inona na inona marina, na
inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona
mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina. ...
Ary ho aminareo ilay Andriamanitry ny fiadanana!”—Filipianina 4:8, 9. ˇ
1 AOGOSITRA 2013
7
MANOVA OLONA NY BAIBOLY
“Nieritreritra be aho
hoe ahoana no
hiafaran’ny
fiainako”
`
NY FIAINAKO TALOHA: Nihalehibe tany Warialda, tanana
NOTANTARAIN’I ALLAN HANCOCK
TERAKA:
1941
FIRENENA:
AOSTRALIA
FIAINANY TALOHA:
MPIFOKA SIGARA
SADY MPIBOBOKA TOAKA
8
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
kely any Nouvelle-Galles Atsimo, aho. Mpiompy omby
aman’ondry ny olona any sady mpamboly. Madio io
`
tanana io, ary tsy dia misy heloka bevava.
Folo mianadahy izahay, ary izaho no lahimatoa. Vao
13 taona aho dia efa niasa, mba hanampiana ny vola niditra tao an-trano. Tsy dia nahita fianarana anefa aho, ka
niasa tany amin’ny toeram-piompiana. Mpamolaka soavaly no asako tamin’izaho 15 taona.
Nisy lafy tsarany sy lafy ratsiny ny niasa tany amin’ny
toeram-piompiana. Tena tiako ny asako sy ny tontolo iainana tany. Nitanina afo aho rehefa alina, ary nijery ny volana sy ny kintana. Ny tsio-drivotra koa nitondra ny hanitry ny kirihitrala teny amin’ny manodidina. Nieritreritra
aho tamin’izay hoe tsy maintsy ho nisy namorona ireny
zavatra mahatalanjona ireny. Ny tsininy anefa dia izao:
Fandre matetika ny olona niteny ratsy, ary tsy sarotra ny
nahita sigara, ka lasa zatra nifoka sigara sy niteny ratsy
aho.
Nifindra tany Sydney aho tamin’izaho 18 taona. Mba te
ho lasa miaramila aho fa tsy voaray satria tsy dia nahita
fianarana. Nahita asa aho ary nijanona tany herintaona.
Tamin’izay aho no nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy nanasa hivory aho ary nandeha
tokoa. Tsapako avy hatrany hoe marina ny fampianaran’
izy ireo.
Tapa-kevitra ny hiverina tany ambanivohitra anefa
`
aho, tsy ela taorian’izay, ka tonga teto Goondiwindi, aty
Queensland. Nahita asa aho ary nanambady. Nanomboka nisotro toaka koa anefa aho.
Rehefa teraka ireo zanakay roa lahy, dia nanomboka nieritreritra be aho hoe ahoana no hiafaran’ny fiainako. Tadidiko ireo zavatra noresahina
tamin’ny fivorian’ny Vavolombelona tany Sydney, ka nanapa-kevitra ny hanao zavatra aho.
Nahita Tilikambo Fiambenana efa tranainy aho,
ary nisy adiresin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Aostralia tao. Nanoratra
tany aho, ka nisy Vavolombelona iray tsara fanahy sy be fitiavana tonga nitsidika ahy. Tsy ela izahay dia niara-nianatra Baiboly.
NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Tsapako
fa tena nila niova aho, rehefa nandeha ny
fianarana. Nisy vokany be tamiko, ohatra, ny
2 Korintianina 7:1, izay mampirisika antsika
“hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny
zava-drehetra mandoto ny nofo.”
Nanapa-kevitra aho fa tsy hifoka sigara na hiboboka toaka intsony. Efa fanaoko hatramin’ny
ela ireo, ka tsy mora ny niala taminy. Vonona ny
hiova anefa aho mba hampifaliana an’Andriamanitra. Tena nanampy ahy ny toro lalana ao amin’
ny Romanina 12:2 hoe: “Aza manaiky intsony ho`
volavolain’ity tontolo ity, fa miova ka havaozy ny
sainareo.” Tsapako hoe ny fomba fisainako mihitsy no mila miova, raha te hanova ny fahazarako
aho. Tokony hanana ny fomba fijerin’Andriamanitra aho, ka hiaiky hoe ratsy ireny zavatra fanaoko ireny. Nanampy ahy izy, ka resiko ihany ireo
fahazaran-dratsiko ireo.
“Tsapako hoe ny fomba fisainako
mihitsy no mila miova, raha te
hanova ny fahazarako aho”
Tena tsy mora tamiko anefa ny tsy hiteny ratsy intsony. Fantatro ilay torohevitra ao amin’ny
Efesianina 4:29 hoe: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo.” Tsy tonga dia nahavita nampihatra an’izany anefa aho. Nanampy ahy
ny nisaintsaina ny Isaia 40:26. Izao no lazainy
momba ny lanitra feno kintana: “Asandrato ny
masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay
mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy
rehetra amin’ny anarany avy. Noho Izy manana
tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.”
Nieritreritra aho hoe raha manana hery hamoronana an’izao rehetra izao midadasika Andriamanitra, tsy ho vitany koa ve ny hanampy ahy hiova mba hampifaliana azy? Nivavaka mafy aho
`
ary niezaka be, ka tsy niteny ratsy intsony taty
aoriana.
NY SOA NORAISIKO: Tsy dia afaka niresaka tamin’
olona aho, tamin’izaho namolaka soavaly.
Tsy dia nisy olona mantsy teny akaikin’ireo
toeram-piompiana niasako. Nianatra naneho
hevitra anefa aho, noho ireo fampiofanana tany
amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Nanampy ahy hiresaka tamin’ny olona momba
ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra koa
ireny fampiofanana ireny.—Matio 6:9, 10; 24:14.
Efa taona maromaro aho izao no anti-panahy
eo anivon’ny fiangonana. Raisiko ho tombontsoa
ny manao izay azoko atao mba hanampiana ny
mpiray finoana amiko. Ny fitahiana lehibe indrindra azoko anefa, dia ny hoe miara-manompo
an’i Jehovah izahay mianakavy.
Misaotra an’i Jehovah aho noho izy vonona ny
hampianatra ahy, izay olona tsy dia nahita fianarana. (Isaia 54:13) Marina mihitsy ny voalazan’ny
Ohabolana 10:22 hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no
mampanan-karena.” Tsy andrinay mianakavy ny
hianarana bebe kokoa momba an’i Jehovah sy
hanompoana azy mandrakizay. ˇ
1 AOGOSITRA 2013
9
MANONTANY NY MPAMAKY
Nahoana no tsy lazain’ny Baiboly ny anarana sasany?
Nantsoina fotsiny hoe Ingahy ny lehilahy iray resahina ao amin’ny bokin’i Rota, izay tsy nety nanao
`
ny adidiny voalazan’ny Lalan’i Mosesy. (Rota 4:
1-12) Midika ve izany fa ratsy toetra toa azy na tsy
misy dikany daholo izay olona na anjely tsy voalaza anarana ao amin’ny Baiboly?
Tsia. Misy ohatra hafa ity. Nirahin’i Jesosy ha`
nkany “an-tanana ho any amin-dRanona” ny mpianany, mba hanomana ny Paska farany hiarahany
amin’izy ireo. (Matio 26:18) Ratsy toetra na tsy
misy dikany ve io lehilahy io matoa tsy nolazaina
ny anarany? Tsy izany mihitsy. Azo inoana fa mpianatr’i Jesosy izy io. Tsy tena nilaina tao amin’ilay
tantara anefa ny anarany, ka tsy nolazaina.
Ankoatra izany, dia misy anaran’olona ratsy fanahy maro ao amin’ny Baiboly. Maro koa ny olona
tsy nivadika nefa tsy nolazainy ny anarany. Be
mpahalala, ohatra, i Eva, ilay vehivavy voalohany.
`
Tia tena sy tsy nankato anefa izy ka nitarika an’i
Adama hanota, ary nijinja ny vokatr’izany isika
rehetra. (Romanina 5:12) Tsy resahin’ny Soratra Masina kosa ny anaran’ny vadin’i Noa. Tena
ankasitrahantsika anefa izy satria tsy tia tena sy
`
nankato, ka nanampy ny vadiny hanao an’ilay asa
`
namonjy aina. Tsy hoe tsy nisy dikany ary izy na
hoe tsy nankasitrahan’i Jehovah matoa tsy nolazaina ny anarany.
Misy olon-kafa tsy voalaza anarana koa ao
amin’ny Baiboly, nefa nandray anjara be tamin’ny
fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah ary be herim-po mihitsy aza. Eritrereto ilay zazavavy israeli`
ta nanompo tao an-tranon’i Namana, filohan’ny
tafika syrianina. Sahy niresaka tamin’ny vadin’i
`
Namana momba ny mpaminanin’i Jehovah tany
`
Israely izy. Izany no nahatonga an’i Namana ho sitrana tamin’ny fomba mahagaga. (2 Mpanjaka 5:
1-14) Tena nanam-pinoana koa ny zanakavavin’
ilay mpitsara israelita atao hoe Jefta. Vonona ny
10
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
tsy hanambady sy tsy hiteraka izy, mba hanatanterahana ny voadin-drainy. (Mpitsara 11:30-40)
Salamo 40 mahery koa no tsy fantatra izay nanoratra azy. Nisy koa mpaminany namita iraka niavaka nefa tsy voalaza anarana.—1 Mpanjaka 20:
37-43.
Mbola miavaka noho izany aza ny ohatra nomen’ireo anjely tsy nivadika. Misy an-jatony tapitrisa izy ireo nefa anaran’anjely roa monja no ao
amin’ny Baiboly, dia i Gabriela sy Mikaela. (Daniela 7:10; Lioka 1:19; Joda 9) Tsy nolazaina kosa ny
anaran’ny anjely hafa. Nanontanian’i Manoa, rain’
i Samsona, ohatra, ny anjely iray hoe: “Iza moa no
anaranao, mba hanomezanay voninahitra anao
rehefa tanteraka ny teninao?” Hoy anefa ilay anjely: “Fa maninona ianao no manontany ny anarako?” Nanetry tena izy ka tsy nety nandray ny
voninahitra tokony ho an’Andriamanitra irery ihany.—Mpitsara 13:17, 18.
Tsy hazavain’ny Baiboly foana hoe nahoana no
nolazaina ny anaran’ny olona sy anjely sasany ary
tsy nolazaina ny an’ny hafa. Tsara hotahafina anefa ireny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika
ireny, satria tsy nitady laza na voninahitra. ˇ
`
MANATONA AN’ANDRIAMANITR A
‘Hita Mazava ny Toetrany
Tsy Hita Maso’
Mino ve ianao fa misy Andriamanitra? Raha izany, ahoana no anaporofoanao fa misy izy? Tsy
voatery hitady lavitra ianao, satria maro ny porofo manodidina antsika, izay manamarina fa misy
Mpamorona hendry sy mahery ary be fitiavana.
Inona izany porofo izany, ary tena maharesy lahatra ve? Mamaly izany ny taratasy nosoratan’ny
apostoly Paoly ho an’ny Romanina.
Hoy i Paoly momba an’Andriamanitra: “Ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia
hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony. Koa
tsy afa-tsiny izy ireo.” (Romanina 1:20) Nilaza i
Paoly fa manaporofo ny fisian’ny Mpamorona ny
asan’ny tanany. Andeha isika hamakafaka ny teniny.
Hita “hatramin’ny namoronana izao tontolo
izao” ny toetran’Andriamanitra, hoy i Paoly. Tsy ny
planeta Tany fa ny olombelona no tondroin’ilay
teny grika nadika hoe “izao tontolo izao.”1 Inona
`
ary no tian’i Paoly holazaina? Vao noforonina ny
olombelona dia efa afaka nahita ny toetran’ny
Mpamorona eo amin’ny zavatra noforoniny.
“Hita mazava” amin’ny zavaboary, hatramin’ny
kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, fa
misy ny Mpamorona. Miharihary amin’izy ireny
koa fa manana toetra mahatalanjona izy. Hita,
ohatra, hoe hendry izy satria tena mahavariana ny
fomba nanaovana ny zavaboary. Mampiharihary
ny heriny ny lanitra feno kintana sy ny fidoboky ny
onja. Hita koa hoe tiany isika olombelona, noho
ireo sakafo isan-karazany ankafizintsika, ny haka1 Lazain’ny Baiboly koa fa manota sy mila mpanavotra “izao tontolo izao.” Mbola ny olombelona ihany no tiana holazaina amin’
izany fa tsy ny tany.—Jaona 1:29; 4:42; 12:47.
nton’ny masoandro miposaka sy ny masoandro
mody.—Salamo 104:24; Isaia 40:26.
Tena miharihary ireo porofo ireo, ka “tsy afa-tsiny” izay tsy mahita azy ireny sy tsy mety mino hoe
misy Andriamanitra. Nampiasa ohatra toy izao ny
manam-pahaizana iray: Eritrereto hoe misy mpamily mody tsy mahita takela-by iray misy soratra
hoe “Mivilia Miankavia.” Nosakanan’ny polisy izy
ary nampandoaviny lamandy. Manazava ilay mpamily hoe tsy hitany ilay takela-by. Tsy marim-pototra anefa izany satria miharihary be ilay takela-by,
Manaporofo ny fisian’ny
Mpamorona ny asan’ny tanany
ary mahita tsara izy. Takina amin’ny mpamily koa
ny mijery takela-by sy manaraka izay lazain’izy ireny. Miharihary toy izany koa ny zavaboary, izay manaporofo fa misy Andriamanitra. Afaka mahita azy
ireny isika satria zavaboary manan-tsaina. Tsy afatsiny isika raha tsy miraharaha azy ireny.
Tena manampy antsika hahafantatra ny Mpamorona ny zavaboary, satria “hita mazava” amin’
izy ireny ny “toetrany tsy hita maso.” Mihoatra lavitra noho izany anefa ny Baiboly. Ho hitantsika ao
ny valin’ity fanontaniana lehibe ity: Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany sy ny olombelona? Raha mahalala ny valin’izany isika, dia hanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra. ˇ
FAMAKIANA BAIBOLY AMIN’NY AOGOSITRA
Romanina 1-16
TAHAFO NY FINOAN’IZ Y IREO NOA
Voaro Izy
“sy Ireo Fito Hafa”
LAO sary an-tsaina ry Noa mianakavy niara-nitakoko, rehefa nivatravatra ny orana. Tarafin’
ilay jiro mitsilopilopy ny endrik’izy ireo ka hita
hoe nihiratra be ny masony rehefa nipoapoaka tamin’ny tafo ny orana, ary avy eo niraraka nanaraka ny sisin’ny sambofiara. Tsy maintsy ho nankarenin-tsofina izany.
Velom-pisaorana an’i Jehovah Andriamaniny i
Noa, rehefa nijery ny endriky ny ankohonany. Tsy
iza izany fa ny vadiny sy ny zanany telo lahy ary
ny vadin’izy ireo avy, izay samy nanam-pinoana.
Tsy maintsy ho nampahery an’i Noa ny nahita an’
ireo olona tiany indrindra teo anilany, tamin’io fotoana nanjombona io. Azo inoana fa nisolo tena
ny fianakaviany izy mba hanao vavaka fisaorana,
ary niteny mafy mba ho re ny feony tao anatin’ilay
tabataba be.
Tena nanam-pinoana i Noa, ka narovan’i Jehovah izy sy ny fianakaviany. (Hebreo 11:7) Tsy nila
nanam-pinoana intsony ve izy ireo, rehefa avy ny
orana? Tsia. Nilaina foana izany, satria mbola
maro ny zava-tsarotra niandry azy ireo. Toy izany
koa isika amin’izao vanim-potoana misafotofoto
`
izao. Andeha ary hojerentsika izay azo ianarana
avy amin’i Noa.
A
“EFAPOLO ANDRO SY EFAPOLO ALINA”
Nitohy nandritra ny “efapolo andro sy efapolo
alina” ilay oram-be nivatravatra. (Genesisy 7:4,
11, 12) Niakatra foana ny rano. Hitan’i Noa hoe
sady niaro ny olo-marina ilay Andriamaniny no
nanasazy ny ratsy fanahy.
12
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
Nampitsahatra ny fikomiana nataon’ny anjely
io Safodrano io. Maro mantsy ny anjely lasa tia
tena toa an’i Satana, ka “nandao ny fonenana sahaza azy” tany an-danitra, mba hanambady vehivavy teto an-tany. Niteraka metisy atao hoe Nefilima izy ireo. (Joda 6; Genesisy 6:4) Azo antoka
`
hoe faly ery i Satana rehefa maro no nikomy. Vao
mainka mantsy izany nanambany ny olombelona,
izay tsara indrindra tamin’ny zavaboarin’i Jehovah teto an-tany.
Rehefa niakatra anefa ny rano, dia voatery namoy ny vatan’olombelona nananany ireo anjely
mpikomy ary niverina tany an-danitra. Navelany
teo ny vady aman-janany, ka matin’ny Safodrano
niaraka tamin’ny mpiara-belona taminy. Tsy afaka
niova ho olombelona intsony ireny anjely ireny
`
taty aoriana.
Efa tamin’ny andron’i Enoka, 700 taona teo ho
eo talohan’io, i Jehovah no nampitandrina ny olona fa handringana ny ratsy fanahy izy. (Genesisy
5:24; Joda 14, 15) Vao mainka niharatsy anefa ny
olona, ka lasa simba sy feno herisetra ny tany. Ringana izy ireo izao. Nahafaly an-dry Noa ve izany?
Tsia, ary tsy faly koa ny Andriamanitr’izy ireo.
(Ezekiela 33:11) Be famindram-po mantsy i Jehovah, ka nanao izay azo atao mba hanavotana olona faran’izay betsaka. Nirahiny hampitandrina ny
olona i Enoka, ary nasainy nanamboatra sambo i
Noa. Am-polony taona ry Noa mianakavy no somokotra nanao an’io asa lehibe io, ary nahita izany ny rehetra. Nasain’i Jehovah ‘nitory ny fahamarinana’ koa i Noa. (2 Petera 2:5) Toa an’i Enoka,
dia nampitandrina ny olona izy fa hampihatra didim-pitsarana amin’izy ireo Andriamanitra. Nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo? Hitan’i Jesosy avy
`
tany an-danitra izay nitranga. Hoy izy, taty aoriana, momba ny olona tamin’ny andron’i Noa: “Tsy
niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”—Matio 24:39.
Nanao ahoana ny fiainan-dry Noa nandritra an’
ireo 40 andro, taorian’ny nanakatonan’i Jehovah
ny varavaran’ny sambofiara? Azo inoana hoe lasa
fahazaran’izy ireo ny nikarakara izay nilain’ny
hafa, nampirimpirina an’ilay fonenany, ary nanome izay nilain’ireo biby niaraka taminy tao, na dia
avy be aza ny orana. Indray andro anefa nihetsika
ilay sambo be, ary avy eo nisosa moramora. Nitsingevana teny ambony rano ilay sambofiara, ary
niakatra hatrany hatrany, ka lasa “nitsinkafona
ambony be niala tamin’ny tany.” (Genesisy 7:17)
Hita mihitsy hoe Andriamanitra Mahery Indrindra i Jehovah!
Tsy maintsy ho nisaotra an’i Jehovah i Noa tamin’izay. Niaro azy mianakavy mantsy izy ary namindra fo, ka nampiasa azy ireo mba hampitandrina an’ireo olona ringana tany ivelany. Tsy
niraharaha anefa ny olona, ka toa tsy nisy vokany
ilay asa mafy nataon’izy ireo nandritra ny taona
maro. Eritrereto ange e! Nanana rahalahy sy anabavy i Noa, ary azo inoana fa mbola velona izy ireo
sy ny zanany talohan’ilay Safodrano. Tsy nisy nihaino an’i Noa anefa, afa-tsy ny vady aman-janany. (Genesisy 5:30) Efa voaro tao anaty sambofiara izy ireo izao. Azo antoka fa nampahery azy ireo
ny nitodika ny lasa, dia ireo fotoana rehetra nanampiany ny olona mba ho voavonjy.
Tsy niova i Jehovah, hatramin’ny andron’i Noa
ka hatramin’izao. (Malakia 3:6) Nilaza i Jesosy Kristy fa toy ny tamin’ny “andron’i Noa” ny
androntsika. (Matio 24:37) Vanim-potoana miavaka no iainantsika, satria hifarana izao fotoan-tsarotra izao rehefa horinganina ity tontolo ratsy
ity. Mampitandrina ny olona vonon-kihaino koa
ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Hanaraka an’ilay fampitandremana ve ianao? Raha efa
nanao izany ianao, tsy mba hampitandrina ny
hafa koa ve ianao mba ho voavonjy izy? Namela
ohatra tsara ho antsika rehetra ry Noa.
Azo inoana fa nitarika fotoam-pivavahan’ny
fianakaviana foana i Noa, na dia tao anatin’ny
fotoana mafy indrindra aza
1 AOGOSITRA 2013
13
“TAFITA SOA AMAN-TSARA AVY TAMIN’NY RANO”
Natopatopan’ilay ranomasimbe ny sambofiara,
ary azo antoka fa ren’ireo tao anatiny ny feo maranitra sy midridroka avy amin’ireo hazo be nandrafitra an’ilay sambo. Nanahy ve i Noa sao ho simban’ny onja mahery ilay sambo? Tsia. Ny olona
mpisalasala ankehitriny no mety hanahy momba
izany. Tsy toy izany anefa i Noa. Hoy ny Baiboly:
‘Finoana no nanamboaran’i Noa sambofiara.’ (Hebreo 11:7) Nanao fifanekena taminy mantsy i Jehovah fa hitsimbina azy sy izay miaraka aminy
mandritra ny Safodrano, ary nino izany i Noa. (Genesisy 6:18, 19) Tsy ho vitan’ilay namorona ny tany
sy izao rehetra izao ve ny hiaro an’ilay sambo tsy
ho simba? Mazava ho azy fa vitany izany! Natoky
tanteraka i Noa fa hitana ny teniny i Jehovah,
ary dia “tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano”
tokoa izy mianakavy.—1 Petera 3:20.
Nitsahatra ihany ny orana, rehefa afaka
40 andro sy 40 alina. Tokotokony ho tamin’ny Desambra 2370 Talohan’i Kristy izany, raha amin’ny
kalandrientsika. Mbola tsy nifarana teo anefa ny
tantaran-dry Noa tao anatin’ilay sambofiara. Io sambo feno zavamananaina io irery no namakivaky
an’ilay ranomasina midadasika, izay nihoatra ny
tampon’ireo tendrombohitra. (Genesisy 7:19, 20) I
Noa angamba no nanao ny raharaha sarotra, niaraka tamin’i Sema sy Hama ary Jafeta. Nikarakara tsy tapaka ny biby rehetra izy ireo, amin’izay
ireo biby mahazo sakafo sy madio ary salama tsara. Nataon’Andriamanitra tsy masiaka ny bibidia
rehetra, ka mora ny nampiditra azy tao anaty sambofiara. Azo antoka fa nataony toy izany foana izy ireo nandritra ny Safodrano.1
Hita hoe noraketin’i Noa an-tsoratra ny zava-nitranga, ka fantatsika hoe oviana no nanomboka
avy ny orana, ary oviana no nitsahatra. Fantatsika koa fa safotry ny rano ny tany nandritra ny
150 andro. Nihena ihany ilay izy tamin’ny farany.
Indray andro, nipetraka moramora teo amin’ny
“tendrombohitra Ararata”, any Torkia ankehitriny,
ilay sambofiara. Tamin’ny Aprily 2369 Talohan’i
1 Misy milaza fa nety ho nataon’Andriamanitra be torimaso
ireo biby, ka tsy nila sakafo firy. Na ahoana na ahoana, dia nitana ny teniny izy, ka tafavoaka velona izay rehetra tao anatin’ny
sambofiara.
14
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
Kristy angamba izany. Ny volana Jona, 73 andro
taorian’izay, vao hita ny tampon’ireo tendrombohitra. Nanesoran’i Noa ny tafon’ilay sambo ny Septambra, izany hoe telo volana taorian’izay. Azo
`
antoka fa faly ery izy ireo nahazo hazavana sy rivotra madio. Efa nanao zavatra izy talohan’io,
mba hahalalana raha efa azo nonenana tany ivelany. Nandefa goaika izy tamin’izay. Nivezivezy
tany izy io, ary angamba nijanona kely teo amin’
ilay sambo rehefa vizana. Nandefa voromailala
indray izy, ary niverina teo amin’i Noa foana izy
io mandra-pahitany toerana honenana.—Genesisy
7:24–8:13.
Azo antoka fa ny zavatra ara-panahy no tena
zava-dehibe tamin-dry Noa. Tsy maintsy ho niaranivavaka tsy tapaka izy mianakavy, ary niresaka
momba an’ilay Rainy any an-danitra, izay niaro
azy ireo. Niantehitra tamin’i Jehovah i Noa, isaky
ny handray fanapahan-kevitra lehibe. Na hitany
aza hoe “efa maina tanteraka” ny tany, rehefa afaka herintaona mahery, dia tsy namoha ny varavaran’ny sambofiara izy ka hoe hitarika ny fianakaviany sy ireo biby hivoaka tao. (Genesisy 8:14)
Niandry an’i Jehovah izy!
Maro ny zavatra azon’ny raim-pianakaviana ianarana avy amin’io lehilahy nanam-pinoana io.
Nahay nandamin-javatra izy, nazoto niasa, nanam-paharetana, ary niaro ny ankohonany sy ireo
biby nasaina nokarakarainy. Nataony loha laharana foana anefa ny sitrapon’i Jehovah. Hitondra fitahiana ho an’ireo olona tena tiantsika isika, raha
manahaka an’i Noa amin’ireo lafiny ireo.
“MIVOAHA AVY AO AMIN’NY SAMBOFIARA”
Ela ny ela ka niteny i Jehovah hoe: “Mivoaha avy
ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao mbamin’ny vadin’ny zanakao.” Izy mianakavy no nivoaka voalohany ary avy eo ny biby. Tsy
nikorontana anefa izy ireo tamin’izany. Lazain’ny
Baiboly fa “nivoaka avy tao amin’ny sambofiara”
ireo biby “araka ny karazany avy.” (Genesisy 8:1519) Afaka nifoka rivotra madio ry Noa mianakavy,
rehefa tafavoaka teo ivelany. Nitazana avy teo
amin’ny tendrombohitra Ararata izy ireo, ka hitany fa voadio tanteraka ny tany. Tsy nisy intsony ny
Nefilima, ny herisetra, ny anjely mpikomy, ary ireo
Efa voadio ny tany, rehefa nivoaka avy tao amin’ny sambofiara i Noa sy ny fianakaviany
olona ratsy fanahy!1 Afaka nanomboka fiainambaovao indray ny olombelona.
Fantatr’i Noa izay tokony hatao, ka nanorina alitara izy. Tsaroanao angamba fa nakan’i Noa fito
avy ny biby madio rehetra ary nentiny tao amin’
ny sambofiara. Naka tamin’ireo izy mba hatao fanatitra dorana ho an’i Jehovah. (Genesisy 7:2;
8:20) Nahafaly an’i Jehovah ve izany?
Hoy ny Baiboly: “Nandre hanitra mampitony i
Jehovah.” Marina fa nalahelo Andriamanitra rehefa feno herisetra ny tany. Tony sy finaritra anefa izy izao, nahita fianakaviana nanam-pinoana
nanompo azy teto an-tany sady vonona hanao ny
sitrapony. Tsy nanantena anefa i Jehovah hoe ho
lavorary izy ireo. Hoy mantsy ny tohin’ilay andininy: “Zava-dratsy foana no irin’ny fony, efa hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21) Nisy zavatra
hafa nampiseho hoe mbola naneho faharetana sy
famindram-po tamin’ny olona i Jehovah.
Tsy nanozona ny tany intsony izy. Nanozona ny
tany mantsy izy rehefa nikomy i Adama sy Eva, ka
nanahirana ny asa fambolena. Nantsoin’i Lameka
hoe Noa, izay mety hidika hoe “Fitsaharana” na
“Fampiononana”, ny anaran’ny zanany. Naminany
koa izy fa hanafaka ny olona amin’io ozona io i
Noa. Tsy maintsy ho faly be i Noa rehefa nahalala
fa ho tanteraka ilay faminaniana, ka ho mora volena kokoa ny tany. Tsy mahagaga raha lasa mpamboly izy.—Genesisy 3:17, 18; 5:28, 29; 9:20.
1 Tsy hita intsony koa ny zaridainan’i Edena, satria nety ho
simban’ny rano. Raha izany, dia afaka niverina tany an-danitra
ireo kerobima niambina ny lalana nankao. Nifarana ihany ilay
asa nataony tao anatin’ny 1600 taona.—Genesisy 3:22-24.
`
Nomen’i Jehovah lalana tsotra sy mazava ny taranak’i Noa rehetra. Norarany tsy hamono olona
sy tsy hihinana ra, ohatra, izy ireo. Nanao fifanekena tamin’ny olombelona koa izy, ka nampanantena fa tsy handringana ny zavamananaina amin’
ny safodrano intsony. Nasiany avana teny amin’ny
lanitra, mba hanaporofoana fa azo itokisana ny teniny. Tamin’izay ny olona no nahita an’io zava-mahatalanjona io voalohany. Isaky ny mahita avana
isika ankehitriny, dia tadidintsika foana ilay fampanantenana feno fitiavana nataon’i Jehovah.
—Genesisy 9:1-17.
Nety ho tapitra teo amin’ilay avana ny tantaran’
i Noa, raha angano fotsiny. Tena nisy anefa i Noa,
ary tsy mora foana ny fiainany. Ela velona ny olona tamin’izany, ka mbola niaina 350 taona izy vao
maty. Maro ny zavatra nampahory azy nandritra
an’ireo taona ireo. Nanao fahadisoana lehibe izy,
indray mandeha, satria mamo. Nanampy trotraka
an’izany ny fahadisoana lehibe kokoa nataon’i Kanana zafikeliny. Nitondra vokany mangidy tamin’
ny fianakavian’i Kanana izany. Mbola velona hatramin’ny andron’i Nimroda i Noa, ka nahita hoe
lasa mpanompo sampy sy nahery setra ny taranany. Nampahery azy anefa ny nahita fa tena nanampinoana i Sema, ka ohatra tsara ho an’ny fianakaviany.—Genesisy 9:21-28; 10:8-11; 11:1-11.
Manahaka an’i Noa isika raha tsy mivadika mihitsy, na dia miatrika olana aza, ohatra hoe tsy miraharaha an’i Jehovah ny olona manodidina antsika, na tsy manompo azy intsony. Tena sarobidy
aminy ny fiaretana toy izany. Hoy i Jesosy Kristy:
“Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”
—Matio 24:13. ˇ
1 AOGOSITRA 2013
15
VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY
Henoin’Andriamanitra
ve ny vavaka rehetra?
Mihaino ny vavaka ataon’ny olona avy amin’ny
firenena rehetra Andriamanitra. (Salamo 145:
18, 19) Milaza ny Baiboly fa tokony horesahintsika
amin’Andriamanitra izay rehetra manahiran-tsaina
antsika. (Filipianina 4:6, 7) Misy vavaka tsy ankasitrahany anefa. Tsy tiany, ohatra, ny vavaka atao
tsianjery.—Vakio ny Matio 6:7.
Tsy tian’i Jehovah koa ny vavaka ataon’ireo mi`
`
nia tsy mankato ny lalany. (Ohabolana 28:9) Tsy nihaino ny vavaka nataon’ireo Israelita fahiny, ohatra, izy satria namono olona izy ireo. Tsy maintsy
`
manao izay takiny ary isika raha tiantsika hohenoiny ny vavaka ataontsika.—Vakio ny Isaia 1:15.
Tsy maintsy manam-pinoana isika rehefa mivavaka amin’Andriamanitra. (Jakoba 1:5, 6) Tsy maintsy resy lahatra isika fa misy izy ary mikarakara
antsika. Hihamatanjaka ny finoantsika rehefa mianatra Baiboly isika. Manampy antsika hanana ny
tena finoana mantsy ireo porofo sy fanomezantoky ao.—Vakio ny Hebreo 11:1, 6.
Tokony hanao vavaka vokatry ny fo isika, ary hanetry tena rehefa manao izany. Na i Jesosy, Zanak’
Andriamanitra, aza nanetry tena rehefa nivavaka.
(Lioka 22:41, 42) Tsy tokony hibaikobaiko an’Andri`
amanitra ary isika, fa hiezaka hamantatra izay takiny ka hamaky Baiboly. Hifanaraka amin’ny sitrapony ny vavaka ataontsika amin’izay.—Vakio ny
1 Jaona 5:14.
HAHITA VALIM-PANONTANIANA HAFA
KOA IANAO AO AMIN’NY INTERNET
s
n
o
Azo alaina
maimaim-poana
ao ity gazety ity sy
ny gazety taloha
p
Misy Baiboly
amin’ny fiteny 50
eo ho eo ao
Nahoana no misy vavaka tsy
ankasitrahan’Andriamanitra?
INONA Marina NO
AMPIANARIN’NY
BAIBOLY?
Raha mila fanazavana
fanampiny ianao, dia
jereo ny toko 17 ao
amin’ity boky
navoakan’ny
Vavolombelon’i
Jehovah ity
Azo alaina ao amin’ny
www.jw.org/mg io
boky io
Midira ao amin’ny
www.jw.org /mg na
alaivo sary amin’ny
fitaovana
` misy
kamera sy Internet
ity kaody QR ity
wp13 08/01-MG
130509
Inona no takiny amin’izay
mivavaka aminy?

Podobne dokumenty