Zaproszenie- Koronka na ulicach miast świata 2011

Transkrypt

Zaproszenie- Koronka na ulicach miast świata 2011
Zespół ISKRA
działający przy Ojcach Jezuitach
90-058 Łódź, ul. Sienkiewicza 60
www.iskra.info.pl
[email protected]
tel. 694 292 093
607 302 527
Fikambanana « Etincelle »(Taratra)
Fanasana hiombom-bavaka amin’ny alàlan’ny « Sapilen’ny Famindrampon’Andriamanitra »
Ny fiadanan’i Tompo dia mirotsaka ao am-pon’ny Mpino, rehefa miatrika an’Andriamanitra am-pitokiana, sy
miankina tanteraka Amin’ny Famindram-pony, ka manao hoe : « Jesoa ô, matoky Anao aho », sady mitazona
ny Sapilé
Efa efatra taona izao, amin’ny andro sy ora mitovy, dia mijanona eny amin’ny sampanan-dàlana maro antanàn-dehibe sy ambanivolo izahay ; mba hangataka ny famindram-pon’Andriamanitra ho antsika sy ho
an’izao tontolo izao. Izany no antony iantsoana ity vavaka ity hoe « Sapilen’ny famindrampon’Andriamanitra
eny an-dàlana ». Koa amin’io fotoana io dia mijanona am-panetren-tena eny amoron’ny arabe, na izay
toerana misy anao, hanolotra ity vavaka ity Amin’i Tompo, na samirery na miaraka .
Noho izany dia manasa anao izahay amin’ny 28 Septambra ho avy izao, amin’ny 3(telo) ora folak’andro,
HIATO,HIJANONA amin’izay rehetra misy anao, na aiza na aiza: na eny an-dàlana na any an-tsekoly, na any antrano, na any am-piasana….., ka hiombona amin’I Jesoa maty teo ambonin’ny Lakroa. Afaka mivavaka amin’ny
sapilén’ny Famindrampon’Andriamanitra ihany koa ianao, raha tianao. Ny fandraisanao anjara dia hanampy
hitondra fanavaozana an’izao tontolo izao.
IO ora amin’ny telo folak’andro io, dia ora nahafatesan’I Jesoa,” Oran’ny Famindram-po”. Fotoana fohy
handinihana ny Fijalian’I kristy. Toy izao ny vavaka ataontsika amin’izany: RY RA sy RANO nivoaka tao amin’ny
FO MASIN’I SESOA ,loharanom-pamonjena ho anay, matoky Anao izahay.
Ny oran’ny famindram-po dia fotoam-pahasoavana, ho an’ireo mitalaho am-pinoana ny famindram-pony, ho
an’ny tenany sy ny hafa. Vavaka natolotr’I Jesoa an’I Masimbavy Faustine Kowalski, mba haely amin’ny olona
rehetra ity sapilen’ny Famindram-po ity. Vavaka ho an’izao androntsika izao.
Mivavaka am-pitokiana ny Famindram-pony Tompo, ho famelana ny fahotana sy ny hadisoantsika ary
fangatahana ny tso-drànony ho an’ny an-davanandrom-piainana.
Koa raha tianao ny hiombona sy hiara-mivavaka aminay dia aza misalasala manokatra an’’ity adiresy ity:
www.iskra.info.pl. AO no ahitanao ny fanazavana rehetra mety hanampy anao, handray anjara.
Z modlitwą o. Remigiusz Recław SJ
z zespołem Iskra Bożego Miłosierdzia
.

Podobne dokumenty