Boky Fandalinana ho an`ny Mpianatra Seminera amin`ny

Transkrypt

Boky Fandalinana ho an`ny Mpianatra Seminera amin`ny
Fampiasana ny Boky Fandalinana ho an’ny Mpianatra any An-trano
Soratra Masina
Ho Fehezina
Ny andalan-tsoratra masina
ho fehezina tsirairay amin’ireo 25 hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nohazavaina
miavaka tsara ao amin’ny
lesona izay tokony hisy azy
mba hanampiana anao hanatevina ny fifehezana azy.
Fampahafantarana
ny Lahatsoratry ny
Soratra Masina
Ny fampahafantarana dia manome fampahalalana ny zavamiseho sy famintininana ny
lahatsoratry ny soratra masina
ho an’ny lesona tsirairay.
Fanatambarana
Andinin-tsoratra
masina sy
Famintinan-kevitra
Ireo fanatambarana andinintsoratra masina dia ahitana
taratra ny fizarana voajanahary
rehefa miova ny zava-mitranga
na ny lohahevitra. Ny tsirairay
amin’izany dia arahin’ny
famintinana fohy an’ireo zavamitranga na fampianarana ao
amin’ireo andininy.
Firaketana ny Valiny
ao amin’ny Boky
Fandalinana
Indraindray ianao dia asaina
manoratra ny valin-teny eo
amin’izay faritra banga ato
amin’ny boky na ao anaty
tabilao iray.
VI
FIZARANA 2: ANDRO 3
1 Nefia 3–4
Fampidirana
Nodidian’ny Tompo i Lehia handefa ireo zanany lahy
hiverina any Jerosalema mba haka ireo takela-barahina
any amin’i Labana. Raha toa ka tsy hitan’i Lamana sy
i Lemoela izay fomba ahafahan’izy ireo manatanteraka ity didy ity, i Nefia kosa dia nanam-pinoana fa ny
Tompo dia hanomana lalana hahazoana manatontosa
izay notakiany. Na dia teo aza ny fahasarotana niverimberina, dia niezaka tamim-pahatokiana hatrany i
Nefia tamin’ny fanaovana izay zavatra nandidian’ny
Tompo. Vokatr’izany dia notarihin’ny Fanahy Masina
izy ary nahazo ireo takelaka tamim-pahombiazana.
Ny traikefa niainan’i Nefia dia maneho fa ny fiezahana
hankato hatrany no mahatonga antsika ho mendrika
ny fanampian’ny Tompo mandritra ny fotoan-tsarotra.
1 Nefia 3:1–9, 19–20
Niverina tany Jerosalema ireo zanakalahin’i Lehia
Efa niatrika toe-javatra sarotra iray ve ianao ary nanontany tena mikasika ny fomba hamahana izany?
Ny lesona anio dia hanampy amin’ny fanamafisana
orina ny finoanao sy ny fahavononanao ho mpankato
rehefa miatrika toe-javatra sarotra. Atombohy amin’ny
famakiana ny 1 Nefia 3:1–6, ary lokoy ao anatin’ny soratra masinao ny didy izay nomen’ny Tompo an’i Lehia
mba ho tanterahan’ireo zanany lahy. Mariho ihany
koa ny fahasamihafana teo amin’ny fihetsika nasetrin’i
Lamana sy i Lemoela teo anatrehan’ny didin’ny Tompo
raha ampitahaina amin’ny fihetsik’i Nefia.
Mba hahafahana mahazo tsara ny fahasarotan’ilay didy
nomen’ny Tompo, dia mety hanampy ny fahafantarana
fa ny halaviran-dalana avy any Jerosalema mankany
amin’ny Ranomasina Mena (ny eladranon’i Akaba) dia
mirefy eo ho eo amin’ny 300 kilaometatra ao anatin’ny
tany mahamay sy karankaina feno mpangalatra maro.
Efa nanao dia nandritra ny telo andro mihoatran’io
toerana io i Lehia sy ny fianakaviany (jereo ny 1 Nefia
2:5–6), ary ankehitriny ny Tompo dia nilaza fa tokony hiverina any Jerosalema ireo zanany lahy. Vakio ny 1 Nefia
3:7–8, ary tadiavo ny antony naroson’i Nefia fa nahatonga ny fahavononany hankato ny didin’ny Tompo.
Nijoro ho vavolombelona i Nefia ny amin’ilay fitsipika
hoe rehefa manao izay andidian’ny Tompo isika,
dia hanomana làlana Izy ahafahantsika manatontosa izany. Rehefa manohy mandalina ny 1 Nefia 3
ianao, dia eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana no
ahafahan’ny ohatra feno risi-po sy fahavononana
nasehon’i Nefia mitaona antsika ho tonga mpankato kokoa sy haneho finoana lehibe kokoa ho an’ny
Tompo. Asio lanjany manokana ny fomba niatrehan’i
Nefia ireo zava-tsarotra. Na dia tsy maintsy hiatrika
fitsapana aza i Nefia rehefa niezaka naka ireo takela-barahina izy sy ny rahalahiny, dia nisafidy ny tsy
himonomonona izy (jereo ny 1 Nefia 3:6).
Ireo takela-barahina dia ahitana ny “rakitsoratry ny
Jiosy” (1 Nefia 3:3), izay tsy inona fa ny soratra masin’izy ireo. Hita ao ny sasany amin’ireo soratra sy
fampahalalana izay hita ao amin’ny Testamenta Taloha
ankehitriny, ary soratra hafa miendrika faminaniana
ihany koa. Vakio ny 1 Nefia 3:19–20, ary tsipiho ireo zavatra hita ao amin’ny takela-barahina izay nahatonga
izany ho zava-dehibe ho an’ny fianakavian’i Lehia sy
ireo taranany.
Soratra Masina Fehezina—1 Nefia 3:7
Vakio in-telo ny 1 Nefia 3:7 (azonao ovaovaina ny
fomba famaky azy raha tianao: mafy na mangina).
Akombony ny soratra masinao, ary ezaho soratana
ny valin’ireto fanontaniana ireto, tsy mijery ilay
andinin-tsoratra masina:
• Iza no niresahin’i Nefia?
• Inona no nolazain’i Nefia fa ho ataony?
• Inona no zavatra fantatr’i Nefia fa ho ataon’ny
Tompo?
Sokafy ny soratra masina, ary avereno jerena ny 1 Nefia
3:7 sy ny valin-teninao.
Hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Nataoko ho
fitsipika iainako izao: Rehefa mandidy ny Tompo, dia
ataovy izany ” (ao amin’ny History of the Church, 2:170).
Diniho ny hanoratana io fanambarana io eo amin’ny
soratra masinao, eo akaikin’ny 1 Nefia 3:7.
1 Nefia 3:10–31
Nangalatra ny fananan’i Lehia i Labana ary niezaka ny
hamono an’i Nefia sy ireo rahalahiny
Mitahy antsika amin’ny fomba maro samihafa ny
Tompo rehefa mankato ny didiny isika. Ny traikefan’i
Nefia tamin’ny nahazoany ireo takela-barahina dia
manohana ny fijoroana ho vavolombelona nananany
fa Andriamananitra dia manomana lalana ho an’ireo Zanany mba hahafahan’izy ireo manatotontosa
ny didiny (jereo ny 1 Nefia 3:7). Ampiasao ity tabilao
manaraka ity mba handalinana ny andrana roa voalohany nataon’ireo zanakalahin’i Lehia mba hahazoana
ireo takela-barahina. Soraty eo amin’ny tsanganana
21
Fotopampianarana
sy Fitsipika
1 Nefia 7:6–15
Nanandrana nandresy lahatra an’ireo rahalahiny i Nefia
mba hanohy ny dian’izy ireo ho any an-tany foana
Alaivo sary an-tsaina
ireo Soratra Masina
Mety lasa misy dikany kokoa
aminao ny fandalinana ny
soratra masina raha alainao
sary an-tsaina izay zavatra
mitranga. Alaivo sary antsaina izay mety ho fahatsapanao sy fihetsikao raha toa
ka nandray anjara tamin’ny
zava-niseho izay voarakitra ao
amin’ny soratra masina ianao.
Afaka manampy anao ihany
koa izany hahatakatra fa ny
zavatra raketin’ny soratra
masina dia mety mitovitovy
amin’ny toe-javatra eo
amin’ny fiainanao ary manomana anao hampihatra ireo
fahamarinana izay ampianarin’ny soratra masina.
Vakio ny 1 Nefia 7:6–7,
ary tadiavo ny antony
nahatonga an’i Lamana
sy i Lemoela ary ny
sasany tamin’ireo fianakavian’i Ismaela hikomy
nandritra ny dian’izy
ireo tany an-tany foana.
Alaivo sary an-tsaina hoe
toy ny ahoana izany hoe
tahaka an’i Nefia amin’ity
toe-javatra ity. Eritrereto
izay mety ho nolazainao
tamin’i Lamana sy i Lemoela ary ny fianakavian’i
Ismaela mba hiezahana
handresen-dahatra azy
ireo hanohy ny diany ho
any amin’ny tany nampanantenaina.
Vakio ny 1 Nefia 7:8–12,
ary tadiavo ireo fanontaniana izay napetrak’i Nefia tamin’ireo rahalahiny
mba hiezahana handresy lahatra azy ireo tsy hiverina
any Jerosalema. Inona no fahamarinana telo nolazain’i
Nefia fa adinon’ireo rahalahiny?
Valio ao antin’ny diary fandalinanao soratra masina ity
fanontaniana ity:
2. Ahoana no fomba nanampian’ny fahatsiarovana ireo
fahamarinana telo ireo an’i Lamana sy i Lemoela mba ho
lasa mahatoky ny Tompo?
3. Mitanisà fitahiana 4–5 izay noraisinao avy tamin’ny
Tompo. Ahoana no ahafahan’ ny fitadidiana ny zavatra
izay nataon’ny Tompo taminao hanampy anao ho mahatoky
amin’ny fisafidianana ny hanaraka Azy?
Vakio ny 1 Nefia 7:13–15, ary jereo hoe inona no nolazain’i Nefia fa hitranga amin’i Lamana sy i Lemoela
ary ireo izay nikomy tao amin’ny fianakavian’i Ismaela
raha toa izy ireo ka miverina any Jerosalema.
4. Manorata andinin-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny antony maha zava-dehibe ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Tompo ho anao sy
ny fanarahana ny fitarihany.
28
1 Nefia 7:16–22
Nafahan’ny Tompo i Nefia
Tohizo hatrany ny fakana sary an-tsaina hoe toy ny
ahoana izany mipetraka eo amin’ny toeran’i Nefia
izany rehefa mamaky ny 1 Nefia 7:16 ianao. Inona no
ho ataonao?
Nivavaka i Nefia. Vakio ny vavaka nataony ao amin’ny
1 Nefia 7:17–18, ary jereo hoe inona no nangatahan’i
Nefia tamim-bavaka.
Mariho fa i Nefia dia nangataka mba ho ahafahana
“araka ny finoa[ny].” Iray amin’ireo lesona azontsika
ianarana avy amin’ireo andininy ireo dia ny hoe mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra araka
ny finoantsika. Ny dikan’ny hoe mivavaka amimpinoana dia hoe mivavaka omban’ny fahatokiana ny
Tompo, ary mivonona mandrakariva hanao asa.
Alalalino ity teny ity, izay nataon’ny Loholona David A.
Bednar ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo
mikasika ilay vavaka nataon’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia
7:17 sy ny hery ahafahan’ny Sorompanavotana manova
ny fontsika. Tsipiho ireo teny rehetra izay manampy
anao hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fahavononana hanao zavatra rehefa mivavaka isika.
“Moa ve fantatrao hoe inona no mety ho
nangatahako tao anatin’ny vavaka raha
toa ka nofatoran’ireo rahalahiko aho? Ny
tonom-bavaka ho nataoko dia mety ho
nisy fangatahana zavatra ratsy mba
hitranga amin’ireo rahalahiko, ary
nifarana tamin’ny teny hoe ‘afaho eo an-tanan’ireo
rahalahiko aho’ na koa amin’ny teny hafa hoe: ‘Miangavy aho mba hafaho amin’ity zava-doza ity, izao
ankehitriny izao!’ Tena mahaliana ahy manokana fa i
Nefia dia tsy nanao vavaka tahaka izay mety ho
nataoko dia ny mba hanovana ny toe-javatra nisy azy.
Nivavaka kosa izy mba hahazo hery hanovana ilay
toe-javatra nisy azy. Ary mamelà ahy handroso hoe
nivavaka tamin’io fomba io izy dia satria fantany sy
takany ary efa niainany ilay hery manafaka ao amin’ny
Sorompanavotan’ny Mpamonjy. . . .
“Ry rahalahy sy anabavy isany, tena mivantana ny
fampiharana an’io tantara io ho antsika tsirairay. Rehefa mahatakatra sy mampiasa ilay hery manafakin’ny
Sorompanavotana eo amin’ny fiainantsika manokana
izaho sy ianao dia hivavaka sy hikatsaka hery hanovana ireo toe-javatra misy antsika toy izay hivavaka
mba hiovan’ny toe-javatra misy antsika. Ho tonga
olona izay ‘mihetsika’ isika fa tsy ho toy ny zavatra izay
‘hetsehina’ (2 Nefia 2:14)” (“‘In the Strength of the
Lord’ (Ny Tenin’i Môrmôna 1:14; Môsià 9:17; Môsià
10:10; Almà 20:4),” ao amin’ny Brigham Young University 2001–2002 Speeches [2002], 124).
Rehefa misy fotopampianarana sy fitsipika mivoaka ho
azy avy amin’ny lahatsoratry
ny soratra masina, dia voasoratra amin’ny tarehin-tsoratra
matevina izy ireny ao amin’ny
lesona mba hanampiana
anao hamantatra izany.
Fanampiana amin’ny
Fandalinana
Ny fanampiana amin’ny
fandalinana dia manome
hevi-baovao ary manazava
ireo fampiharana izay afaka
manatsara ny fandalinana
ataonao sy ny fahatakaranao
ny soratra masina.
Ireo asa asaina atao
ao amin’ny Diary
Fandalinana Soratra
Masina
Natao ho anoratana ny diary
fandalinana soratra masina
ary omena ny mpampianatrao isan-kerinandro mba
hanaovana tatitra. Ny fandinihanao am-pitandremana
ireo valinteninao dia hanampy anao hanana traikefa
manan-danja rehefa mianatra
sy mampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny soratra
masina ianao.
VII

Podobne dokumenty